Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Tontosa soamantsara ny “Festival Sabotsibe” tany Mandritsara. Hipoka olona ny kianja nandritra ny telo andro, indrindra tamin’ny famaranana izay niakaran-dry Jean Rigo, Rootsman ary i Sisca. Ito farany izay zanak’i Mandritsara no namarana ny fety, ka tsy nisy nety nisaraka raha tsy efa tamin’ny 8 ora maraina. Azo lazaina ho […]

Graphite molo : mahasarika ny orinasa mpitrandraka

Vonona hiara-hiasa sy hitrandraka ny graphite molo eto Madagasikara ny Société financière internationale (SFI). Noho izany, maminavina hampiakatra ny famokarana 150 000 taonina isan-taona ny orinasa NextSource Materials amin’ny alalan’ny famatsiam-bola mitentina 162 tapitrisa dolara ataony raha manodidina ny 17 000 taonina isan-taona ny vokatra azony amin’ izao fotoana. Sampandraha­raha […]

Fanomezan-dra : nandray anjara ny Star

Marihina isaky ny 14 jona ny Andro iraisam-pirenana ho an’ny mpanome ra. Toy ny fanaony isan-taona, nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Star, ta­min’ny alalan’ny fanomezan’ny mpiasa ra an-tsitrapo. Teo ihany koa ny fizarana zava-pisotro mamy, ho an’ireo na­natontosa izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny ”Centre regional de transfusion sanguine” eto […]

INDRAY MIJERY

Nijery ny asa fitsaboana tanterahin’ny dokotera ao amin’ilay sambo hopitaly Mercy Chips ao Toamasina, ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Iraka fahefatra ity tanterahina eto Madagasikara ity. Olona 6 400 no horaisina an-tanana ny fandidiana azy. Mamely ny gripa na amin’ny ankizy na […]

Silamo – Aïd al-Adha : tsy nanadino ny nivavaka ho an’ny firenena

Nankalaza ny fetin’ny Aïd al-Adha ny mpino silamo rehetra, afakomaly. Nomarihina tamin’ny fiaraha-mivavaka te­tsy amin’ny moske 67 ha izany. Zava-dehibe izy io satria fahatsiarovana ny na­naovan’i Abrahama sorona ny zanany lahy tokana, i Ismaelà. “Rehefa tsapan’ny Tompo ny fahavononan’io mpaminany lehibe io dia nosoloiny ondry izany”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny […]