Andiany faha-24 ny programan’ny fandaharanasa Yali Regional Leadership Center (RLC). Tanora malagasy 13 mianadahy no voafantina hisitraka izany izay atao any Afrika. Nahavita fiofanana ampitain-davitra nandritra ny roa herinandro izy ireo, ary vao tonga any Afrika Atsimo, hanaraka fiofanana mandritra ny 3 herinandro indray. Rehefa tafaverina eto Madagasikara ireo tanora […]
Auteur/autrice : Adnews
ONG Stem for good : mangataka ny handraisana ny «robotique» ho fanatanjahantena
Hiompana amin’ny fanodinana maharitra ny vokatra ho lasa sakafo ny lohahevitry ny fifaninanana “First Global Challenge 2024” any Athènes. Hitondran’ny tanora mpifaninana vahaolana mifototra amin’ny robotique ny hampitomboana ny vokatra sy hitsinjarana ara-drariny izany, ary tokony ho ao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana. Mangataka ny governemanta malagasy ny ONG Stem […]
Angovo eto Madagasikara: Ambany ny taham-pisitrahana herinaratra
Mbola ambany ny taham-pisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Ny taona 2022, manodidina ny 36% izany, izay mametraka ny firenena eo amin’ny laharana fahasivy amin’ireo firenena zara raha misitraka angovo, araka ny tatitra navoakan’ny Tanjona fampandrosoana lovainjafy ODD fahafito (ODD 7) na ny « Tracking SDG 7 ». Misahana manokana izany fanadihadiana izany ny […]
Fadintseranana malagasy : hamafisina ny fanaraha-maso ny sisintany
Hisy ny fanatsarana entin’ny fadintseranana amin’ny fiambenana ny sisintany sy ny fari-dranomasina. Hampiasa fitaovana raitra sy hanamafy ny lafiny fifaneraserana amin’ny mpanjifa izy ireo. Anatin’ny fanatsarana ny fomba fiasa ny eo anivon’ ny fadintseranana malagasy, ankehitriny. Hiompana amin’ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fanaraha-maso ny sisintany izany. Hiroso amin’ny fampiasana […]
Airtel Africa : Fiaraha-miasa amin’ny Network
Misehatra amin’ny fanamorana ny varotra niomerika amin’ny firenena 50, ka 40 aty Afrika ny orinasa Network international. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny Airtel Africa, izay miasa amin’ny firenena 14, hanamorana ny fifanakalozam-bola. Maherin’ny 200 ny rafitra ara-bola iasany ka manodidina ny 1,6 miliara ny fifanakalozana ara-bola niomerika ataony. Toy ny fanangonam-bola […]