Auteur/autrice : Adnews

Lavanila: nahazo tohana avy amin’ny Cnuced

Tratra ny tanjona ho an’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) tamin’ny adisisika natao nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), tany Suisse. Nahazo tohana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny Cnuced, Rebeca Grynspan, ny minisitera hananganana […]

Fitaterana ana habakabaka : hatsaraina ny seranam-piaramanidin’Ivato

Antoka handrindrana ny asa rehetra atao eny amin’ny seranam-piaramanidina sy hiadiana amin’ny fanondranana antsokosoko ary hiarovana ny kolikoly eny an-toerana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Maro ireo teboka hojerena hanatsarana ny fotodrafitrasa. Tonga teny amin’ny seranam-piaramadin’Ivato, ny alarobia teo, ireo mpisehatra rehetra amin’ny « Ges­tion coordonnée des frontières » nijery ny […]

INDRAY MIJERY

Naharitra 1 taona sy 8 volana ny fandaharanasa MTaPS izay iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID. Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 13 jona 2024 teo izany. Nahomby ny vokatra ary hanome lanja kokoa ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka. Nisy ny fanomezana fitaovana informatika ho an’ny minisitera, izay ny DPLMT […]

WMG sy Inner Wheel : vehivavy 20 notolorana mari-pankasitrahana

Nanolotra mari-pankasitrahana ireo vehivavy niofana momba ny zaitra ny avy amin’ny Inner Wheel sy ny Wed­nesdat morning group (WMG). Natao tetsy Ankorondrano ny hetsika, omaly. Nisitraka izany ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana miisa 20 avy eto Antananarivo. Niofana nandritra ny telo volana izy ireo. “Tanjon’ny fampiofanana ny hanampiana ny vehivavy tena […]

Tily eto Madagadikara : manao fivoriambe iraisam-pirenena CPGS

Nanatanteraka fivoriambe iraisam-pirenena, CPGS, andiany fahadimy, etsy Antaninarenina ny skoto avy amin’ny fiangonana Protestanta. Mandritra ny telo andro, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso izany. Sehatra hifampizarana hevitra sy ahafahana manatanteraka hetsika ara-panahy eo anivon’ny skotisma ny fihaonana. « Fotoana hanaovana tombana ny asa vita nandrita ny fe-potoana teo aloha ary handrafetana […]