Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Ho avy eto amintsika tsy ho ela ny delegasiona avy amin’ny Tanger Med Engineering hijery ny fomba hampivelarana ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara. Mirefy 1000 ha ny seranan-tsambon’i Tanger Med ao Détroit de Gibraltar, any Maraoka. Miisa 100 000 ireo sambo mifamezivezy isan-taona ao an-toerana. Natao nandritra ny roa andro ny dinika […]

Star Ambatolampy : Angovo fanodinana ny rano avy nampiasaina

Mitsinjo ny tontolo iainana ny ozinin’ny orinasa Star any Ambatolampy. Nisy ny delegasiona, notarihin’ny tale jeneraliny, Marc Pozmentier. Nampahafantatra izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Fontaine. Nampisehoana ny fotodrafitrasa mamokatra angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, manana tanjaka 2MW. Tanjona ny hampihenana ny […]

Ampela mandraharaha : vehivavy valo nahazo tohana

Tosika hanatsarana sy hampiroboroboana ny fandraharahana ataon’ny vehivavy ny tetikasa « Ampela mandraharaha » novolavolain’ny Association des femmes auto entrepreneures à Madagascar (Afam). Tanjona ny hanampiana ny vehivavy hivelatra sy hisokatra amin’ny sehatra maro samihafa. Sehatra iray anisan’ny mahasarika ny vehivavy ny tontolon’ny fandraharahana hampivoarany ny tetikasany. Antony indrindra nahatonga […]

INDRAY MIJERY

Nitombo isa ireo Lycée sy CEG nanangana klioba Hary fahalalana, hary fomba (HFHF). Mifototra amin’ny fampitana hafatra mafonja an’onjampeo mahakasika ny fanabeazana ho olom-pirenena sy ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo sy ny tanora ny tetikasa klioba HFHF.45 ireo tafatsangana eny anivon’ny Dren 15, ny taona 2023. Nanomboka ny 10 jona hatramin’ny […]

Fanadinana CEPE: noraisina ny fepetra hisorohana ny hosoka

Nizotra tamim-pilaminana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE, omaly tontolo andro, manerana ny Nosy. Nitsidika ny foibem-panadinana CEG Antanimbarina­n­driana ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena misolo toerana, Randriamanantany Zely Ari­velo, nijery ny fikarakarana. Nanambara izy fa anio no hanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana ary hoezahina tsy hihoatra ny herinandro ny famoahana ny valim-panadinana. […]