Auteur/autrice : Adnews

“Foarabe fampivoarana” : ny 16 hatramin’ny 21 jolay etsy Mahamasina

Hotanterahina ny 16 hatramin’ny 21 jolay ho avy izao etsy amin’ny kianja Barea ny “Foarabe fampivoarana”. Hetsika karakarain’ny sampana fitantanam-piainana krisitianina (Fipikri) eo anivon’ny federasiona advantista Ma­dagasikara Afovoany (FMC). «Tanjona ny hampivoatra ny farim-piainan’ny mpandraharaha rehetra amin’ny alalan’ny hetsika», hoy ny filohan’ny FMC, Andriamparatiana Fa­nera, nandritra ny fampahafantarana izany tetsy […]

Fiarovana ny tontolo iainana : hiara-hiasa ny PAM sy ny minisitera

Ho fanampiana ny vondron’olona marefo hiarina aorian’ny loza voajanahary, hiara-hiasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Natao tany Toliara ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Hiompana manokana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hetsika mifandraika amin’izay no […]

Fampandrosoana ny maha olona : firenena miarina i Madagasikara nanomboka ny taona 2022

Miharihary ny tsy fitoviana eo amin’ny firenena mandroso sy ireo mbola an-dalam-pandrosoana ho an’ny fampandrosoana ny maha olona, araka ny tatitry ny Fandraharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) ho an’ny taona 2023-2024, omaly teny Ankorondrano. Amin’ny firenena 35 an­dalam-pandrosoana, 18 amin’ireo tsy mbola nahatratra ny tahan’ny fandrosoana ny maha […]

Profesora Ange Andrianarisoa: « Fanarahan-dalàna no antoky ny rehetra »

“Aoka samy hanaraka sy hanaja ny lalàna ka raha misy ny olona tsy manara-dalàna sy ny lalàna voadika dia aoka hihatra ny lalàna mifanaraka amin’izay”, hoy ny Profesora Ange Andrianarisoa. Mande­ha ny resaka manoloana ny filazana ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna maro samihafa, nandritra ny zotram-pifidianana solombavambahoaka. Ara­ka ny nambaran’ity Profesora […]

Atrikasan’ny minisiteran’ny Fitsarana: hahena ny fotoana ihazonana am-ponja ny zaza

Manatanteraka atrikasa ho fanatsarana ny fomba fiasa anatina fifanakalozan-kevitra ireo mpitsara misahana ny fitsarana ny ankizy tsy ampy taona. Nivoitra tamin’izany ny hampitoviana ny fampiharana ny lalàna mihatra amin’ireo zaza tsy ampy taona. Na ireo nanao heloka na niharam-boina izany. Hiara-mijery koa ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara sady […]