Notanterahina, omaly, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa. Nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry any an-toerana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nigadona tao Pretoria, omaly tolakandro ny lehiben’ny Governemanta, i Ntsay Christian. Nanatrika ny lanonana, nametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoha, i Cyril Ramaphosa. Voafidin’ ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanambaram-pananana : “Fisorohana kolikoly”, hoy ny Bianco
“Fepetra iray hisorohana ny kolikoly ny fanaovana fanambaram-pananana. Tsy tonga dia ampiasaina amin’ny fanaovana fanadihadiana ny fanambaram-pananana”, hoy ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric Donat, teny Ambohibao, omaly, taorian’ny nandraisany ny fanambaram-pananana avy amin’ireo tomponandraikitra ambony eny anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Fomba iray hampangaraharana ny fiharian-karena ho an’ny […]
Vondrona Firaisankina : “Mba hitsara amim-pahamarinana ny HCC”
“Mba hitsara amim-pahamarinana ny HCC”. Io no anisan’ny nambaran’ireo kandidà depiote natolotry ny vondrona Firaisankina, teny Andrainarivo, omaly, amin’izao fiandrasana ny valim-pifidianana ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny raharaham-pifidianana depiote natao tamin’ny 29 mey izao. Mahatratra anarivony ny fitoriana tonga eny Ambohidahy momba ny raharaham-pifidianana. Nitondra […]
Loholona Tsiebo Mahaleo: “Fandikan-dalàna ny fandrahonana ny HCC”
Hanao ahoana ny valim-pifidianana depiote? Samy manana fijeriny ny tsirairay, arakaraka ny toerana misy. Manana ny fijeriny ny loholon’i Madagasikara, i Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Fanehoan-kevitra… “Tsy ekena ny finiavana hanao sinto-mahery na bodongerona fotsiny izao… Ry zareo mpanohitra milaza azy ho manara-dalàna indray amin’izao no mandika lalàna. Fandikan-dalàna ny […]
Literatiora : hitondra “Herisetra” i Tsiaro Ny Fitia
Mikononkonona hetsika hanehoana zavakanto… Ela tsy tazana, hiverina indray, tsy ho ela, eo amin’ny tontolon’ny literatiora i Tsiaro Ny Fitia. Mpanoratra anisan’ny manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny zavakanto vita amin’ny teny ny tenany. ” Tsy hoe nanadino ny literatiora akory raha ela tsy tazana fa nitolona […]