Auteur/autrice : Adnews

« Diary Nofy »: nivoaka ny boky faharoa, amin’ny endriny fihaino

Mitondra ny ankizy any anaty nofinofy… Nahitana fanatsarana raha oharina amin’ilay andiany voalohany ilay boky « Diary Nofy », nampahafantarina omaly koa ny endriny fihaino. Boky fa fihaino. Efa fanao izany, ary tsy natao ho an’ireo manana fahasembanana amin’ny maso ihany, fa ho fampitiavana bebe kokoa ny boky ihany koa. Efa mivoaka […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 37,7% ny fanondranana vokatra lamba nataon’i Madagasikara nihazo an’i Etazonia tamin’ny taon-dasa raha oharina tamin’i Frantsa izay 22,13%. Mitentina hatrany amin’ny 4 miliara dolara ireo vokatra naondrana. Firenena voalohany manafatra ny vokatry ny indostrian’ny lamba eto Madagasikara i Etazonia. Harahi-maso ny kalitaon’ny sira misy ioda any amin’ny faritra Androy. […]

Vita ny tetezan’i Nosibe: mamelona indray ny toekarena ao Toamasina

20 taona taorian’ny nahapotehany, vita tanteraka ny tetezan’i Nosibe, PK 22 – RIP 7, mampitohy an’Ivoloina sy Ambodiriana , 35 km avaratra andrefan’i Toamasina, ao amin’ny distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana. Ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]

Mila misikim-ponitra !

  Mamofopofona asaramanitra ny tanàna. Nanomboka omaly ny fametrahana ireo fitaovana fanamafisam-peo amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, hanaovana ny «  podium ». Efa mahoraka ny kerimesy isaky ny sakelin-tanàna. Feno hipoka hatrany ny trano fisotroana. Mahazo mpanjifa maro ny mpanao “kodia kely” sy ny “ tornieky”. Maresaka e! Mifanindran-dalana amin’izay, […]

COMFWB-« Trade Fair » : omena lanja ny vehivavy mpandraharaha

Hatao ny 28 sy ny 29 jona ho avy izao ao amin’ny Novotel Ivandry, ny hetsika iraisam-pirenena ara-toekarena, “Trade Fair & conference”. Andiany fahadimy izy ity ary andiany voalohany kosa ho an’ny firenena miteny frantsay, toa an’i Ma­da­gasikara. Mikarakara azy ny federasion’ny fikambanan’ ny vehivavy mpandraharaha ao amin’ny tsenam-paritra Comesa […]