Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy iray raha toa ka azo sambo-belona ny namany roa lahy nandritra ny fifanenjehana tao Mahajanga, afakomaly. Mpanendaka sady mpively « bois-rond » ireo mpandalo eny amin’ny Bord ireo olon-dratsy ireo. Nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka rava ny fikasan’ireo jiolahy. Novakin’ireo mpandroba ny fitaratry ny fiara. […]

RN5 : mpandeha Tuc-tuc iray maty, naratra ny mpamily

Namoizana ain’olona iray indray teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy teo amin’ny 17 km tsy hidirana ny tanànan’i Soanierano Ivongo, omaly maraina. Naratra mafy ny mpitondra ny Tuc-tuc niharan-doza. Niainga avy any Ampasimbe, nikasa hihazo an’Ambatonigara. Nandeha mafy loatra anefa ny mpamily ka tra-doza tampoka izy ireo. Nivadibadika tamin’ny arabe ilay Tuc-tuc. […]

Nanolan-jaza 14 taona: mpimasy iray tratra

Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray nanao mpimasy sandoka tao Mahajanga, omaly. Tsy vitan’ny nisoloky, mbola naolan’ny lehilahy iray mitono-tena ho mpimasy koa ny zazavavy 14 taona, zanaky ny fianakaviana iray nosolokiany tao Mahajanga. Nampanantenain’io lehilahy io fa hahazo fahasoavana lehibe io fianakaviana nosolokiany io. Namidin’ny lasibatra avokoa ny […]

Tratry ny vela-pandriky ny polisy: nangalatra zaza varira, olona roa voasambotra

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikasan-dratsin’ny mpaka an-keriny. Zaza varira iray avotra tao Vangaindrano, afakomaly. Olona roa voasambotra. Avotry ny mpitandro filaminana teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ny zazalahy iray vao 7 taona, tao amin’ny kaominina Anilobe, distrikan’i Vaingaindrano, ny talata 18 jona teo. Nalain’ny dahalo an-keriny teo anatrehan’ny fianakaviany io zaza varira […]