Tsy azo ihodivirana ary tsy maintsy hatao. “Tsy maintsy hisy ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Na ho ara-potoana io na tsia satria mbola handalo hodinihin’ireo solombavambahoaka amperinasa ny momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR)”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tokony hanomboka ny 8 mey izao izany fivoriana izany nefa mbola ao anatin’ny fampielezan-kevitra ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Nilatsaka ny didim-pitsarana ho an’ny CUA : miato ny fitangosana Ticket eny amin’ny mpivarotra
Nambaran’ny mpanolotsain’ny Tanàna, Ravololomanana Lalatiana, omaly, tetsy Analakely, fa niakatra teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (TA) ny fitoriana napetrany. Nivoaka ny didy afakomaly. “Nandresy isika. Miato ny fakana tapakila haban-tsena amin’ ireo mpivarotra eto Antananarivo Renivohitra, araka ny didim-pitsarana nivoaka, afakomaly. Tsy mandoa vola amin’ny tapakila intsony […]
Fako miparitaka: nodiovina ny faritry ny oniversiten’ Antananarivo
Nodiovina avokoa ny faritry ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Niara-niasa nanatanteraka izany ireo fikambanana Good Deeds Day Analamanga sy ny fikambanan’ny mpianatra teny an-toerana. Notoloran’ny fikambanana mpilatsaka an-tsitrapo fitaovana ihany koa ny oniversite nandritra izany, mba hanadiovana ny faritry ny anjerimanontolo. Tanjona ny hanatsarana sy hanajana ny fahadiovan’ny faritry ny sekoly. Afaka […]
Mesupres: nisongadina ny vokatra tao anatin’ny 100 andro
Nanao tatitry ny asa vita tao anatin’ny 100 ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, araka ny baiko nomen’ny Filoham-pirenena. Tanjona ny hametrahana fampianarana tsara kalitao. Natsangana ny oniversite manara-penitra manakaiky vahoaka sy azon’ny rehetra sitrahina. Hotokanana tsy ho ela ny oniversite any amin’ny faritra Itasy sy Analanjirofo. Maro […]
Hitondra fanatsarana : notombanana ny tolotra eny amin’ny CSB II
Notilina ny fahazoan’ny olona misitraka tolotra fahasalamana eny amin’ny CSB II miisa 16, anatin’ny faritra valo (roa isaky ny faritra), ny taona 2023. Mba hanatsarana ny rafitry ny fahasalamana eny ifotony ka handraisan’ny fanjakana ny andraikiny hisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizy ary ny tanora tolotra feno manana kalitao no antony. […]