Auteur/autrice : Adnews

Ratsy tarehy mangata-bady

  Manomboka sahady ny fisotasotana sy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny kandidà sasany. Mafy ny tsindry amin’ny tokony hahalany azy amin’ny faritra misy azy. Zava-doza rahateo ny manjo azy ireny raha sanatria tsy lany kanefa nahazo «mandat » na ilay fahazoan-dalana hampiasa ny anaran’ingahy Filohan’ny Repoblika. Tsy nomena fahatany akory ireny […]

Fanampiana avy amin’ny Sinoa : laharam-pahamehana ireo faritra lasibatry ny rivodoza

Hisy fiatraikany lehibe amin’ny famokarana eto an-toerana, indrindra ho an’ireo tantsaha, ny fanampiana nomen’ny Sinoa. Izy ireo izay efa niara-niasa tamin’i Madagasikara an-taonany maro, indrindra teo amin’ny sehatry ny fambolena. Tontosa tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavo­loha, ny 9 avrily 2024, ny lanonana nanaovana sonia ny fifanarahana famatsiam-bola tsy averina avy amin’ny […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny halatra omby ao Antsohihy, ny talata 9 avrily teo. Nahatrarana omby mitotaly 116 tsy nisy taratasy tao amin’ny valan’io lehilahy io ka nosamborin’ny mpitandro filaminana izy. Nogiazana am-balam-pamonjana avokoa ireo omby ireo. Zaza fito taona maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara mpitatitra tao […]

Nandriaka ny ra teny By-Pass : mpitondra moto maty voahitsaky ny kamiaobe

Mampihoron-koditra ! Nitrangana lozam-piarakodia indray teny By-Pass, ny alarobia teo. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona nitondra moto no maty voahi­tsaky ny kamiaobe. Nandriaka tamin’ny arabe ny ra. Vaky ny lohany, nipotsaka ny tsinainy. Araka ny fitantaran’ireo olona nahita maso ny fitrangan’ny loza, nisongona fiara teo aloha ity raim-pianakaviana mpitondra moto […]