Anisan’ny porofo iray hoenti-milaza fa miaina sy velona ny tenim-pirenena ny fisian’ny teny vao ao anatiny. Na izany aza, manomboka maro loatra ny kiforomporon-teny heno etsy sy eroa. Tsara ny mandray andraikitra, mamorona, fa mampieritreritra kosa ny fahenoana ireo voambolana vaovao sasany. Mazàna, tonga any amin’ny fanontaniana : « iza no namorona izany ? », ny fanadihadihana. Mila fitandremana be […]
Auteur/autrice : Adnews
Seho any Ambatondrazaka: nosoloina an’i Naël ry Wada sy Youngs
Miandry amin’ny fotoana manaraka indray aloha ny mponin’Ambatondrazaka vao hahita indray an-dry Wada sy Youngs. Tsy manafoana ny fampisehoana kosa anefa izany, satria notanana hatrany ny fotoana amin’ny 1 mey izao, ao amin’ny Espace Laza Ambatondrazaka. Ry zalahy no tsy afaka fa nanaiky hanolo azy kosa i Naël. Hanampy azy […]
Saripika : mankalaza ny fahafolo taonany ny UPPM
Anisan’ny zavakanto manana ny maha izy azy ny saripika. Mihazakazaka be ny fivoarany izany tato ho ato. Nivoatra nanaraka izany ihany koa ny UPPM. Miezaka mijoro ho arofanina hatrany anefa ity fikambanana ity ho tombontsoan’ny saripika malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ny Radisson Blue Ambodivona, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety momba ny […]
FANTINA sy FINTINA
Manamafy ny hafatry ny kardinaly Tsarahazana Désiré sy ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ammi, ny Hery politika mitambatra sy ny ACS. “Lasa fanangonan-karena sy fitadiavam-bola ny politika. Tsy misy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka… Tsy misy fahamarinana ny fitantanana ny firenena”, hoy izy ireo, tetsy Mahamasina, omaly. Nanao fanambarana ny birao […]
Ramampy Zenaïde: “Mila manam-piniavana hirotsa-kofidina ny vehivavy”
“Aza andrasana homena na atolotra anareo ny fahefana fa raiso”, hoy ny filoham-boninahitry ny Filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara (CNFM) sy ny Vondron’ ny miralenta ho amin’ny fampondrosoana (VMLF), Ramampy Marie Zenaïde, izay efa solombavambahoaka sy ben’ny Tanàna tany Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, teo aloha. Hisy fifidianana ato ho ato. […]