Niditra tamin’ny andro faha-4, ny faran’ny herinandro teo, basikety natokana ho an’ ny Lycée, “All Step”. Fifaninanana karakarain’ny ligin’ Analamanga, taranja basikety, hiaraha-miasa amin’ ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Lalao miisa 6 no notontosaina ny sabotsy 13 avrily teo ary anisan’ny tena niady ny fihaonana teo amin’ny Lycée Andohalo sy ny Lycée […]
Auteur/autrice : Adnews
DAKA AN-JORONY: Ataovy «serieux» raha tena hilalao
Vaovao nampangorintsina ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny mpiondana ny baolina kitra, ny nandre ny herinandro lasa iny fa tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona Afrikaninan’ny baolina kitra (Caf) ny kianja Barea Mahamasina. Maro ny fanontaniana nivezivezy tamin’izany saingy mijanona ho antso an’efitra sy tsy misy valiny mazava izany. Ataovy […]
Judo-Tompondakan’i Afrika : Mbola baraingo ny fandraisan’ i Madagasikara anjara
Higadona afaka valo andro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo. Manana fikasana ny handefa atleta enina mianadahy ny federasiona malagasin’ ny judo amin’ity fifaninanana ity. Fifaninanana hatao any Egypte, manomboka ny 23 avrily ho avy izao izy ity. Hatreto, tsy mbola nandefa ny taratasy milaza ny fandraisany anjara […]
Sombim-baovao
Nisongadina indray Randriatsiferana Tokinantenaina Olivier na i Tsiry kely, Malagasy mpilalao baolina kitra milalao any La Reunion, omaly. Nahatafiditra baolina telo ho an’ny St Paul, klioba renioney izy ary nandresy ny St Suzanne tamin’ny isa mavesatra, 7 no ho 0, ry zareo tamin’izany. Tsiahivina fa i Tsiry kely no mpilalao […]
Kianja Barea Mahamasina: misy fepetra takin’ny Caf
Taorian’ny fitsirihana nataon’i Josua Andries Hoebeb, «inspecteur»-n’ny Caf ny kianja Barea Mahamasina, ny zoma 5 avrily lasa teo, nisy fepetra maika tsy maintsy tanterahina raha tiana ny hahazoan’io fotodrafitrasa ho an’ny baolina kitra io fankatoavana, mba hampiantranoana ireo fihaonana iraisam-pirenena atsy ho atsy. Anisan’ireny ny fanamafisana ny fiarovana ireo mpijery […]