Auteur/autrice : Adnews

Phael Flor Moramanga : angovo avy amin’ny masoandro hanodinana lohamenaka

Misehatra amin’ny famokarana lohamenaka ny orinasa Phael Flor any Mora­manga. Tafiditra ao anatin’ny paikadiny ny fampiasana angovo azo havaozina, entina hampihenana ny fandaniana mba hitandrovana ny tontolo iainana. Nosoloina fitaovana avy amin’ny herin’ny masoandro avokoa ny angovo mampihodina ny orinasa. Tsy ampiasaina intsony ny solika ampihodinana ny milina, hamokarana lohamenaka. […]

Lalam-pirenena, RN5A : tafapetraka ny tetezamby

Miisa telo ny tetezana simban’ny rivodoza Gamane farany teo, any amin’ny lalam-pirenena RN5A, mampitohy an’ Ambilobe sy Vohemar. Ao anatin’izany ny any Manakolagna, PK 99, ny any Tenanimadiro Maromokotra (PK 67+700). Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny bokin’andraikitry ny orinasa CRBC nanao ity lalam-pirenena ity ny fiantohana ny fanarenana raha sendra […]

Toekarena : manodidina ny 37,9% ny mponina manana asa

Ambany ny tahan’ny fananana asa eto Madagasikara, raha tanora latsaky ny 25 taona ny 64% ny Malagasy. Tombony ho an’ny toekarena kosa ny fananana loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona. Ao anatin’ny andry telo lehibe iompanan’ny Poli­tika ankapoben’ny fanjakana ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona. Latsaky ny 25 taona avokoa ny […]

RMDM : “Aoka hadio ny lisi-pifidianana”

“Mba miangavy re: ataovy madio ny lisi-pifidianana, ary aoka tsy hisy hosoka. Raha misy hosoka hita, ho feno hosokosoka avokoa isika rehetra ary hifanosokosoka eto”. Io ny fanehoam-pijerin’ ny avy amin’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), ny pasitera Edouard Tsarahame, teny Bel’Air Ampandrana, afakomaly, ny amin’izao fiatrehana […]

Antenimiera : hisy ny fivorian’ ny depiote

Tsy azo ihodivirana ary tsy maintsy hatao. “Tsy maintsy hisy ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Na ho ara-potoana io na tsia satria mbola handalo hodinihin’ireo solombavambahoaka amperinasa ny momba ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR)”, hoy ny loharanom-baovao iray. Tokony hanomboka ny 8 mey izao izany fivoriana izany nefa mbola ao anatin’ny fampielezan-kevitra ny […]