Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Tombanana hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo, atsimo atsinanana ary afo­voany atsinanan’ny Nosy, vokatry ny alondrano avy any atsimo. Nanomboka omaly hatramin’ny alatsinainy, eo anelanelan’i Besalampy sy Farafangana, ny fampitandremana ary hipaka hatrany Toamasina izany. Nandray ny solotenan’ny Agence française de développement miasa eto […]

Tetikasa Mavitrika Mianatra: mpianatra 80 000 hahazo sakafo

Natomboka tamin’ity herinandro ity, tao Farafangana, ny tetikasa “McGovern-Dole Food for Education Project” Mavitrika Mianatra (MaMi), izay iarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fikambanana Catholic Re­lief Services (CRS). Tetikasa vatsian’ny Departemantan’ny fambolena avy any Etazonia na United States Departement Agriculture (USDA) vola ao anatin’ny dimy taona. Niso­lotena ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena tany an-toerana ny […]

Herinandron’ny infirmiera : hitondrana tolotra fahasalamana maimaimpoana ho an’ny olona 1 500

Nisy vokany ny fanentanana nataon’ny Hola­fitry ny infirmiera eto Madagasikara, nitombo ny isan’ireo nisoratra anarana anatin’ny rejisitra. Hanatanterahana ny hetsika maimaimpoana ho an’ireo sahirana ny infirmiera mandritra ny Herinandron’ny infirmiera. Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 12 mey ho avy izao ny “Heri­nandron’ny infirmiera” eto amintsika. “Nisafidy ny faritra Atsinanana ny Holafitra […]

TARATRY ny KANTO

Erick Manana etsy amin’ny CCEsca Antani­mena. Mandalo kely aty an-tanindrazana indray ity mpanakanto ity. Manome fotoana ireo mpankafy azy izy, rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, ireo namany ao amin’ny tarika Feo Gasy sy ny Lôlô sy ny tariny. Eo koa ireo mpitendry namany […]

Kiforomporon-teny : mila miloa-bava ny mpikaroka

Anisan’ny porofo iray hoenti-milaza fa miaina sy velona ny tenim-pirenena ny fisian’ny teny vao ao anatiny. Na izany aza, manomboka maro loatra ny kiforompo­ron-teny heno etsy sy eroa. Tsara ny mandray andraikitra, mamorona, fa mampieritreritra kosa ny fahenoana ireo voambolana vaovao sasany. Mazàna, tonga any amin’ny fanontaniana : « iza no namorona izany ? », ny fanadihadihana. Mila fitandremana be […]