Nanao fanambarana ireo fiarahamonim-pirenena miisa 11, omaly tetsy Ambatonakanga. Nisongadina tamin’izany ny tranga politika niseho tato ho ato ka nanaovan’izy ireo antso avo. «Toherinay ny didy jadona sy ny antsojay politika”, hoy ny lohahevitra nentin’ireto fiarahamonim-pirenena ireo. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany ny fanonganana olom-boafidy, filohan’ny Antenimiera roa. “Mampanahy amin’izao toe-draharaham-pirenena izao […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay jiolahy tomponantoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny tao Maintirano, afakomaly. Nanao ny fanarahan-dia taorian’ny fanafihana nataon’ireo olon-dratsy tao Ampasimandroro, ny 9 avrily teo, ny polisy. Avotra ireo mpianaka nalain’ny jiolahy an-keriny saingy naolan’ireo tsy mataho-tody ny iray. Atolotra ny fampanoavana io jiolahy iray tratra […]
Toamasina II : ripaky ny mpamaky trano ny akoho amam-borona
Tsy mifidy intsony! Mirongatra ny halatra arahina vaky trano taorian’ny ranobe mangeniheny nentin’ilay rivodoza Gamane tao Toamasina. Lasibatry ny asan-jiolahy ny distrikan’i Toamasina II, amin’izao fotoana izao. Lasan’ireo mpangalatra hatramin’ny akoho amam-borona fa tsy mifidy hangalarina intsony ireo jiolahy. Sahirana tanteraka ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana noho ny takaitra navelan’ny […]
Maroantsetra : mpidoroka 24 naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja avokoa, miandry ny fitsarana azy, ireo 24 mianadahy voasambotry ny polisim-pirenena tao Maroantsetra, ny talata 9 avrily teo. Manoloana ny fironan’ny tanora amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fiparitahan’ izany ao an-toerana, nanao fisafoana teny ifotony ny polisy. Tratra tamin’izany ny lehilahy iray malaza ratsy mivarotra rongony. Noraisim-potsiny niaraka […]
Telo andro nisesy : zaza telo matin’ny lozam-pifamoivoizana
Nanao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain-jaza tao anatin’ny telo andro. Zaza iray enin-taona maty tsy tra-drano, omaly. Zazavavy kely enin-taona maty voafaokan’ny taksiborosy tao Ambalafary, RN32, 10 km avaratra andrefan’i Mandritsara, omaly maraina. “Nandeha tamin’ny toerana misy tsena ka niampita tampoka ilay zaza”, hoy ny loharanom-boavao any an-toerana. Tamin’io fotoana […]