Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo kandidà afaka hifaninana hofidina depiote, Razanamahasoa Christine, any Ambatofinan­drahana sy Rafidimanana Narson, ao Antanifotsy. Eo koa i Rossy etsy amin’ny boriborintany fahefatra ary Rakotoniaina Pety, any Ikalamavony. Nohamorain’ny Ceni ny fahafahan’izy ireo nameno ny dosieny avy ka izao anisan’ny mpifaninana izao. Hambara anio, raha tsy misy ny fiovana ny […]

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Tsy ny maha mpitondra no handresena amin’ny fifidianana”

Fanehoan-kevitra… “Tsy atao dridran’Ingilo ny hoe satria eo amin’ny fitondrana dia manana tombony amin’ny fifidianana, na lesoka rehefa tsy eo amin’ny fitondrana”, hoy ny loholona Tsiebo Maha­leo Victor Richard, ny amin’ny fanahian’ny sasany hoe ma­hazo tombondahiny amin’izao fiatrehana fifidianana depiote izao ny eo amin’ny fitondrana. Tondro mazava be ny fifidia­nana […]

Manolo-bato mafana

  Hivoaka anio ny lisitra ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, mahakasika izay ho kandidà depiote. Lisitra maha sasa-miandry sy mampitaintaina ho an’ireo izay mamim-bahoaka kanefa tsy anaty fitondrana na olona manana ny maha izy azy, saingy mety haharesy ny kandidàm-panjakana. Asa na ho tafa na tsy ho […]

Fiatrehana ny fifidianana: hamafisina ny fiambenana ny fonja rehetra

Hentitra ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nandraisana fepetra manokana ny eny anivon’ny fonja. Nitsidika ny fonjabe any Miandrivazo ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Nilatsaka tamin’izany ny toromarika ho an’ireo mpandraharahan’ny fonja. “Hamafisina ny fiambenana ny fonja sy ny fandrindrana na koa fandaminana ireo rehetra mivezivezy […]

TSELATRA

Mpisakaiza niara-nangalatra kisoa tratran’ny zandary tao Ibozaka, fokontany Ampanibe, kaominina Masindray, ny alahady 14 avrily teo. Nafenina tao amin’ny tranon’ilay vehivavy ireo kisoa roa nalaina ny alin’ny 11 avrily hifoha ny zoma 12 avrily teo. Dahalo raindahiny lavon’ny balan’ny zandary tao Berivotra, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana teo […]