Auteur/autrice : Adnews

Sodokan’ny vola

  Trangam-piarahamonina iray, mahazo vahana ny famonoan-tena. Ankoatra ny sarintsarina famonoan-tena mety hanafenana vono olona iniana natao. Tsy mifidy taona, tsy mifidy saranga. Mahatonga saina ny mahita zaza vao folo taona efa mahasahy manapitra ny ainy. Tena mampametra-panontaniana tanteraka. Ankoatra ny famonoan-tena, mihamaro ny zatovo mitsoaka ny tranon-dray aman-dreniny. Andaniny, […]

Banky Iraisam-pirenena : fitsidihina ny asa amin’ny lalana RN7 sy RN10

Manohana ny sehatry ny lalana eto amintsika ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana tetezana sy ny fanarenana ny lalana amin’ny RN7 sy RN10. Nijery ifotony any amin’ ny lalam-pirenena RN7 sy ny RN10, ny herinandro lasa teo, ny delega­sion’ny Banky Iraisam-pirenena (BM), Vincent Vesin, Soh Alphonse ary Rtoa […]

TSELATRA

Namoy ny ainy voatifitry ny mpitandro filami­nana ilay lehilahy namono zazalahy 8 taona, tao An­jiajia, distrikan’Ambato-Boeny, ny 15 avrily teo. Nifam­pitadiavan’ ny fianakaviany io zazalahy io rehefa niandry ondry ka tsy hita, ny tolakandron’ny 11 avrily teo. Nentin’ny olona tsy fantatra izy araka ny nambaran’ireo ankizy namany tamin’ ny havany […]

Naiditra am-ponja eny Antanimora : saron’ny polisin’ny BC ireo jiolahy mpangalatra fiara

Naiditra am-ponja eny An­tanimora afakomaly ireo jiolahy efatra tompon’antoka tamina halatra miaro vono olona. Voa­sambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) sake­lika fahefatra (BC4) teny An­dravoahangy sy Ankadifotsy, ny 11 avrily 2024 teo ry zalahy ireto. Raha ny tatitra nampi­tain’ny polisy, ny 7 avrily lasa teo, jiolahy efatra no […]

Fakana an-keriny: efa-dahy voasambotra ny zandary

Mpiray tsikombakomba efa-dahy tamin’ny mpaka an-keriny voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambolosy, kaominina Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’io tanàna io, ny 4 febroary teo. Nanao ny fanadihadiana lalina sy nikaroka ireo nahavanon-doza ny zandary taorian’io. Nahazo loharanom-baovao mari-pototra ireto farany. Voasaringotra ny tompon’ny tanàna nieran’ny dahalo. […]