Jiolahy enina indray saron’ ny polisin’ny Fip notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Toamasina, omaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana tranona pasitera iray ao Andranomadio Toamasina, parisela 11/43, ny zoma 1 desambra 2023 teo ry zalahy ireto. Voaroba tamin’izany ny entana sarobidy rehetra tao an-tranon’ity mpanompon’ Andriamanitra ity. Efa tafaverina avokoa […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Ben’ny Tanàna iray tao amin’ny kaominina Ampondralava Ambilobe, hita faty nihantona tamin’ny tady teo amin’ny manga maniry, omaly. Nivoaka ny trano fonenany izy ny alin’ny alarobia teo ary nilaza mbola hiverina. Poa toy izay, fatiny efa nihantona tamin’ ny hazo no hitan’ny manodidina. Mampiahiahy ny fokonolona ao an-toerana izao fahafatesan’io […]
Fahafatesan’ilay « transitaire » tao Toliara : voasambotra ilay atidoha nikotrika ny famonoana
Tratran’ny mpitandro filaminana, afakomaly tolakandro, tamin’ny 3 ora ilay atidoha nikotrika ny famonoana ilay lehilahy “transitaire”, tao amin’ny fokontany Besakoa, Toliara. Olona roa hafa voasambotra. Niampy telo indray, afakomaly, ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny famonoana ilay lehilahy misehatra amin’ny orinasa mpampita entana iray, “transitaire”, tao Besakoa. Namoahan’ny […]
« Untitled Miami Art Fair »: mahaliana ny mpitsidika ny kanton’i Temandrota
Hitohy hatramin’ny alahady 10 desambra 2023 ny fampirantiana “Untitled Miami Art Fair”, tanterahina ao Etazonia. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Temandrota, Malagasy mpahay kanto. Tafiditra anatin’ireo nanokatra ny fampirantiana ny haikanton’ity Malagasy ity. Nahaliana sy nambabo ny fon’ny mpitsidika sy ny tomponandraikitra tany an-toerana ny tabilao nampitondrainy ny anarana hoe […]
Fampitiavana ny kolontsaina – Taona 2024: raikitra ny tetikasa « Tokantrano iray, valiha iray »
Novolavolaina tao anatin’ny taona maro ! Raikitra fa hotanterahina manomboka ny taona 2024 ny tetikasa « Tokantrano iray, valiha iray ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha « Valiha Académie » izy ity, ho fampitiavana ny kolontsaina sy zavakanto malagasy. Sedra telo lehibe no tsy maintsy nitadiavam-bahaolana, raha ny fanazavan’ny […]