Manadio ny lakandrano Vallée de l’Est ny Apipa nanomboka tamin’ity herinandro ity. Lakandrano mampitohy an’Andravoahangy amin’ny farihin’i Masay izy io. Hita sy voaporofo fa ny fako plastika sy ny fotaka no tena manentsina ny lakandrano. Manakana tanteraka ny fikorianan’ny rano izany. Manampy betsaka amin’ny fikorianan’ny rano avy any Ankatso, Ampandrana, […]
Auteur/autrice : Adnews
CFPF Antsofinondry : vehivavy 53 nisitraka Vatsin’ankohonana
Nidina ifotony teo anivon’ny ivontoeram-panofanana ho an’ny vehivavy (CFPF) Antsofinondry ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rahantanirina Gabriella. Nanome fampitaovana (tabilio sy kojakojan-dakozia) entina hanatsarana ny ivontoerana sy hampiakarana ny kalitaon’ny fampiofanana omena ireo mpisitraka ny tenany. Mifanindran-dalana amin’ny fampiofanana ataon’ny tetikasa «Milofo sy Mijoro» izay tohanan’ny […]
Kaominina Imerintsiatosika : vita ny tsena Firaisankina mahazaka mpivarotra an’arivony
Marolafy ny fotodrafitrasa vaovao manova ny endriky ny tanàna eny amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Vavolombelon’ny fikirizan’ny ankolafin-kery ny fahavitan’ireo. Notokanana omaly ny fotodrafitrasa marolafy tao amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Goavana indrindra tamin’izany ny fahavitan’ny tsena lehibe mahazaka mpivarotra an’arivony. Teo koa ny tranomboky fanovozam-pahalalana, ny Lapan’ny fanorona, ny lalana vita pavé ary ny […]
Depiote “Del kely”: “Ravao any ny Antenimiera fa tsy olana…”
Nitondra ny heviny, manoloana ny feo mandeha amin’ny mety handravana ny Antenimierampirenena ny depiote, Razara Pierre Fidèle na i “Del kely” tao amin’ny Miara-manonja (MM). “Ravao ny Antenimierampirenena fa tsy olana izany. Hijoro hatrany izahay ary aza matahotra izany isika depiote”, hoy izy. Notsiahiviny fa manohana hatrany ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Razanamahasoa Christine, […]
Lapa maitso Anosikely: efa tonga nivory ny loholona Razafimahefa Herimanana
Efa anisan’ireo loholona miisa 10, niatrika ny fivoriana tetsy Anosikely, omaly, Razafimahefa Herimanana. Nivory ary nanapaka ny lahadinika hatramin’ny fiafaran’ny fivoriana ara-potoana faharoa eo anivon’ny Antenimierandoholona ny tenany. Anisan’ny handraisana fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ankapobeny ho an’ny taona 2024, hotanterahina ny zoma izao. Hitohy ny talata izany handaniana […]