Auteur/autrice : Adnews

UNDD ; “Miankina amin’ny FFKM ny fisorohana krizy”

Mbola hitohy ve ny fampihaonan’ny FFKM? Manantena zavatra amin’ny fihaonana na­sionalin’ny FFKM ny antoko UNND, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, i Manoro Régis. “Tokony hivoaka amin’izany ny fisorohana izay mety hisian’ny korontana”, hoy izy. Sorohina koa mba tsy hiverimberina ny korontana. Tsy maintsy mijery vahaolana lavitr’ezaka. Amin’izay, tsy mi­verimberina intsony […]

Ravalomanana Marc : “Hampiana isika tantsaha”

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Talata Volonondry teny an-tsena ny filoha nasionalin’ny Tim. Nitafa mivantana tamin’ireo tantsaha ny tenany. “Tsy maintsy hatao ny hanampiana anareo rehetra manerana ny Nosy amin’ny fambolena sy ny fiompiana”, hoy izy. Anisan’izany ny fanamorana ny fahazoana ny zezika, ny masomboly, ny fanarenana sy fanamboarana lakandrano, manondraka ny […]

Fikarakarana ny bileta tokana : amin’ny alatsinainy ny antsapaky ny laharan’ny kandidà

Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, ireo tetiandro manaraka amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Anisan’izany ny momba ny ho filaharan’ireo kandidà anatin’ny biletà tokana. “Hotanterahina ny alatsinainy izao ny an­tsapaka ho an’ny laharan’ireo kandidà, amin’ny biletà tokana”, hoy izy, omaly, teny Alarobia. Nandray ireo solontenan’ny Frankofonia (OIF) ny tenany tamin’izany. Notsindriny fa izany laharana […]

Ambatomaro : fiarabe nibahan-dalana, niteraka korontana

Raikitra ny savorovoro teo amin’ny mponina sy ny mpiasa mpamilina fiarabe iray nibahan-dalana vavahadin’olona teny Ambatomaro, oma­ly. Manao asa ao amina orinasa iray eny an-toerana ity fiarabe ity saingy tsy misy toerana afaka hijanonany ao amin’ny orinasa. Voatery mipetraka eny ivelany teo anoloan’ny vavadin’olona sady lalana ifamezivezen’ireo mponina ity fiarabe […]

Rabearimanana Gabriel : nanolotra boky haren-tsaina ho an’ny CUA

Karazam-boky maro mirakitra tantara sy haren-tsaina no natolotry ny fianakavian-dRabearimanana Gabriel ny CUA, omaly. Natao omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’ Antananarivo Renivo­hitra, ny fanolorana ireo boky nosoratany sy tahirin’ny profesora Rabearimanana Gabriel ho an’ny tranombokin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Nandray izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vo­hitra, Andriantsitohaina Naina sy ny talen’ny kolontsaina […]