Notolorana mari-pahaizana ny faran’ny herinandro teo, ireo manampahaizana manokana momba ny areti-mifindra, rehefa nahavita fianarana sy fandalinana mahakasika izany. Hisahana ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ary fisorohana sy famaliana amin’ny fomba mahomby kokoa ny hamehana ara-pahasalamana mikasika ny karazan’areti-mifindra izy ireo. Efa nahita trangan’aretina lefakozatra tsy voatily maherin’ny 130 izy […]
Auteur/autrice : Adnews
Indray mijery
Manome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa 5 i Algerie amin’ny taom-pianarana 2022-2023. Natao ho an’ireo te handalina ny siansa momba ny fitsaboana biby sy ny siansa momba ny zavaboahary izany . Natao indrindra ho an’ireo vao nahazo ny diplaoma bakalorea farany teo. Efa misokatra ny fangatahana vatsim-pianarana ho an’izay maniry […]
Tsy mitsaha-misonga: tafakatra 3 100 ny kilaon’ny vary gasy
Mipaka amin’isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidin-entana eny an-tsena indrindra amin’ireo filana andavanandro. Ho sarotra ny fitantanam-bola amin’izao fidiran’ny mpianatra izao sy amin’ny fotoan’ny maitsoahitra. Mampikaikaika ny maro ny vidim-bary amin’izao. Tao anatin’ny fotoana vitsy, tsy mitsaha-misondrotra ny vidin’ny vary gasy, ny “stock” ary ny “riz de luxe”. Ankehitriny, mahatratra hatramin’ny 3 […]
Fitantanana raharaham-panjakana: 105 mianadahy nivoaka teny amin’ny Enam
Niampy isa ny mpiasam-panjakana ambony. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma 1 septambra teo, ny nisalotra ny anarana hoe “Mahitsi”, tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana mpitantana raharaham-panjakana eto Madagasikara (Enam). Miisa 105 izy ireo, niofana nandritra ny roa taona (2021-2023), tamin’ny sampam-pianarana, fitantanana ny fizaram-paritra (administration territoriale), ny fitantanana raharaham-bahoaka (gestion […]
Ravinala Airports: toeram-pisakafoana « Mon Tana » eny Ivato
Nisokatra ny 22 aogositra teo ny trano fisakafoana vaovao « Mon Tana », ao anatin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Mitantana azy ny orinasa TAV Opération Service, tamin’ny alalan’ny antso tolobidy iraisam-pirenena. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Ravinala Airports, mitantana ny seranan’Ivato.Nilaza ny filoha tale jeneraly (PDG) ny TAV Operation Service, Güçlü […]