Auteur/autrice : Adnews

Firotsahan-kofidina: tafapetraka eny amin’ny HCC ny dosien’ny filoha Rajoelina

Anisan’ireo kandidà hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Tafapetraka, omaly tolakandro ny antontan-taratasy firotsahany. Nohamafisiny tetsy Mahamasina izany maha kandidà azy izany. Nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry nanatitra ny dosieny teny Ambohidahy ny “Mandataire“, i Solofoniaina Michkael, omaly tolakandro, amin’ny fotoana nikabarian’ny filoha ny haha kandidà azy […]

Depiote R. Fetra : “Malalaka ny tsirairay”

“Ny fialana na fidirana olom-boafidy amina antoko politika, zava-pitranga amin’ny tany repoblikanina. Malalaka ny olona tsirairay hiditra na hivoaka… Tsy ny solombavambahoaka na ny ben’ny Tanàna na lehiben’ny antoko miala amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana no hifidy izay ho filohan’ny Repoblika fa ny vahoaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny solombavambavahoaka IRD, […]

UNDD ; “Miankina amin’ny FFKM ny fisorohana krizy”

Mbola hitohy ve ny fampihaonan’ny FFKM? Manantena zavatra amin’ny fihaonana na­sionalin’ny FFKM ny antoko UNND, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, i Manoro Régis. “Tokony hivoaka amin’izany ny fisorohana izay mety hisian’ny korontana”, hoy izy. Sorohina koa mba tsy hiverimberina ny korontana. Tsy maintsy mijery vahaolana lavitr’ezaka. Amin’izay, tsy mi­verimberina intsony […]

Ravalomanana Marc : “Hampiana isika tantsaha”

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Talata Volonondry teny an-tsena ny filoha nasionalin’ny Tim. Nitafa mivantana tamin’ireo tantsaha ny tenany. “Tsy maintsy hatao ny hanampiana anareo rehetra manerana ny Nosy amin’ny fambolena sy ny fiompiana”, hoy izy. Anisan’izany ny fanamorana ny fahazoana ny zezika, ny masomboly, ny fanarenana sy fanamboarana lakandrano, manondraka ny […]