Auteur/autrice : Adnews

Shelby Florent – Waka Waka Festival: “Te hanome sehatra ho an’ny mpanakanto afrikanina izahay”

Mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao i Shelby Florent. Izy no tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Shelby Production, mpikarakara ny “Waka Waka Festival” rehetra any ivelany sy eto. Nisy ny resadresaka fohy nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*): Inona no anton’ny nisafidianan’ny Shelby Production an’i Mada­ga­sikara, sy i Sambava manokana, handray ny “Waka […]

Ny zanaka no harena: Resabe ny isan’ny zaza hateraka

Satria mahantra ny Mala­gasy, aleo iray na roa ihany ny isan’ny zaza hateraka. Mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny tokoa io. Fanehoan-kevitra toa sarotra toherina. « Ny zanaka no harena », hoy kosa ny Malagasy. Sao mba tsy marina amin’izao vanim-potoana izao intsony ary io ? Voaporofon’ny tantara anefa fa fomba nataon’ny mpanjanaka sy […]

Tantara an-tsehatra: any Imerintsiatosika indray ny Iray Fy’Art

Manohy ny fanandratana ny kanto sy ny kolontsaina, amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra ny Iray Fy’Art. Mitety faritra izy ireo. Anjaran’ny eny Imerintsiatosika sy ny manodidina indray ny mahita mivantana ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo. Ho­velomin-dry zareo an-tsehatra ilay tantara “Anjara voasedra” nosoratan’i Niravo Randria. Maneho ny fiainana andavanandro sy ny […]

Haisoratra : nivoaka ny amboara “Angolam-pitia” nosoratan’i Riadiana

Velona ny haisoratra, rehefa misy mamelona: ny mpanoratra. Mivoaka ny amboaran-tononkalo “Angolam-pitia” nosoratan’i Riadiana. Ela ny ela, nivoaka ny amboaran-tononkalo nosoratan-dRampanana Raymond na i Riadiana. Efa aty amin’ny faha-55 taona nanoratana izany. Tamin’ny taona 1968 izy no nanomboka nanoratra. Boky voalohany io: misy tononkalo 93, takila 120. Izany aza, mbola […]

« Akon’ny Antenimierampirenena »: nivoaka ny laharana faha-17

Mitohy sy mivoatra hatrany. Nampahafantarina, omaly 13 jolay, teny amin’ny Motel Anosy, ny gazety boky «Akon’ny Antenimierampire­nena» laharana faha-17. Fia­raha-miasan’ny Antenimie­ram­pi­re­nena sy ny Pnud ny nahatontosana izany. Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 1982 no efa nisy ity gazety boky vokarin’ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ity. Tenim-pirenena telo no hita ao anatiny : […]