Auteur/autrice : Adnews

Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Tsy ara-dalàna ny anto-bola 200 tapitrisa Ar »

“Tsy mifanaraka amin’ny lalàna ny fanovana ny anto-bolan’ireo kandidà ho lasa 200 tapitrisa Ar”, hoy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, teny Faravohitra, afakomaly. Raha ny And. 47 amin’ny lalàmpanorenana, fifidianana mialoha ny fotoana izao fifidianana hatao izao. Noho izany, araka ny And. 9 ao amin’ny lalàna fehizoro lah. 2018-009 mifehy […]

Fitaizana zokiolona : mandositra adidy ny zanaka noho ny fahasahiranana

Manomboka mandefa ny ray aman-dreny eny amin’ny toerana mitaiza zokiolona ny Malagasy. Tsy kolontsaina saingy noho ny fahasahirana no voalaza fa mahatonga izany. Manomboka eo amin’ny faha-65 taonany. Azo lazaina ho zokiolona ny olona iray rehefa mila fanampiana sy tohana eo amin’ny fianakaviany sy ny fiarahamonina, raha ny namba­ran’ny fikambanana […]

FANTINA sy FINTINA

Hanao fitsidihana ifotony any amin’ny Nosy Sainte Marie, faritra Analanjirofo, ny filohan’ny Re­poblika, ma­nomboka anio ka hatramin’ny rahampitso. Nambaran’ny fampitam-baovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa hitokana fotodrafitrasa maro ny tenany. Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany, mampalaza ity Nosy ity, izany. Hitafa amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, […]

Fanahiana krizy : manana vahaolana hisorohana korontana ny Arema

Nanolotra volavolan-dalàna teny amin’ny Antenimiera, teny Tsimbazaza, momba ny lalàm-pifidianana ny Arema, afakomaly. Natao hisorohana ny mety ho fifandirana sy ny korontana izany, araka ny nambaran’izy ireo. Voarakitra ao anatin’ny tolo-kevitra ny hampiasana ny « Machine à voter” sy ny fampiasana ny “Carte biométrique ». Namba­ran’ny Pr Andrianarisoa Ange fa […]