Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hiatrika lalao iraisam-pirenena maro ny Barea de Madagascar aorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay hatao eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra. Lalao telo be izao no miandry azy ireo, anisan’izany ny fihaonana amin’i Angola, ny 17 septambra ho avy izao. Eo ihany koa ny lalao fifanintsanana hiakarana amin’ny Chan, […]

Fanokafana sy famaranana ny JIOI 2023: niantsoana manam-pahaizana manokana

Hiavaka tanteraka ny lanonana fanokafana sy famaranana ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara. Sinoa manam-pahaizana 8 mianadahy no hanampy ny Mala­gasy teknisiana amin’izany. Nigadona teto Madaga­si­kara, ny fiatombohan’ity herinandro ity, ireo sinoa manam-pahaizana 8 mianadahy, hiantoka ny fandavorariana ny lanonana fanokafana sy famaranana ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Hijanona eto […]

«Moto On road – Mada 2023» : tompondaka i Mickael Heriniaina

Notanterahina tany Andranomanelatra Antsirabe, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “2ème manche”, taranja “Moto on road”. Voahosotra ho tompondaka tamin’ity hetsika “Liqui Moly Drag Racing” ity, i Heriniaina Mickael, nitondra ny Moto Yamaha MT10. Araka ny fanazavana voaray tamin’ny mpikarakara, izy no nahazo ny “meilleur cumul […]

Kitra – Fifaninanana afrikanina : tsy handray anjara ny Fosa Jr noho ny lalaon’ny Nosy

Tsy manana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ny Malagasy. Tsy afaka miatrika izany ny Fosa Junior FC na ny AS Fanalamanga. Notendrena hanao ny amboaran’i Afrika ny Elgeco Plus. Tohina tanteraka ny rehetra raha nandre ny fa­nambarana nataon’ny klioba Fosa Junior FC Boeny sy ny Federasiona malagasin’ ny […]