Auteur/autrice : Adnews

Tsy fampiasana ankizy: hanampy ny minisitera ny OIT

Nihaona tamin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny zoma 30 jona teo, ny talen’ny Fikambanana iraisam-pirenen’ny asa, OIT, eto Madagasikara, Seychelles, Maurice, Comores, Coffi Do­minique Agossou. Anisan’ny lohahevitra noresahana ny nankatoavana ny sata vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany sy ny fampiasana ny zaza tsy ampy taona. […]

Fandraharahana : natsangana ny CGA eo anivon’ny SIM

Hitodika amin’ny fanampiana torolalana sy hevitra ary lalam-barotra ho an’ireo orinasa madinika vao misondrotra ny ivontoeram-pitantanana (CGA), eo anivon’ny biraon’ny Sendikàn’ny indostria malagasy. Tafatsangana eo anivon’ny biraon’ny Sendikàn’ ny indostria malagasy (SIM) ny ivontoeram-pitantanana ho an’ireo orinasa madinika « Centre de gestion agréé » (CGA). Natao izao, entina hanampiana ireo orinasa madinika […]

INDRAY MIJERY

Hivoaka amin’ity taona ity ny andiana mpiofana taona 2021-2023 eny anivon’ny ivontoeram-piofanana rezionaly ara-pedagojia Antsirabe, ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny tale misahana ny fampiofanana ara- pedagojia avy amin’ny minisitera foibe. Hivory indray rahampitso, eny Ankatso, ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo (Seces). Mbola maro […]

Tetikasa Vision zero funds : arovana ny mpiofana amin’ny toeram-panofanana teknika

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, Vavi­tsara Rahantanirina Gabriella, ny delegasiona avy amin’ny OIT, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Ampefiloha. Ao anatin’ny fanamafisana ny fampidirana ny fiarovana sy ny fahasalamana eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa ny tanjon’ny dinidinika. Ny OIT, amin’ny alalan’ny […]