Nitsefotra ! Tsy tratra ny fetrisa,101, tamin’ny latsa-bato tokony hanonganana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimiera. Voatana amin’ny sezany izany ny filoha lefitra, ho an’ny faritanin’i Toliara, Rabenirina Jean Jacques sy ny an’ny faritanin’i Fianarantsoa, Razafintsiandraofa Brunelle. Mbola eo amin’ny toerany koa ny kestora III, Rabeniriana […]
Auteur/autrice : Adnews
Ravindravina atentina
Tao anatin’ny volana vitsy izay, mahazo vahana ny vola sandoka manerana an’i Madagasikara. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Tsy mifidy toerana hanaparitahana vola. Tsy mifidy sokajin’olona ny mpanaparitaka izany fa misy hatramin’ny vahiny. Ireto farany izay sady manambaka no milalao ody ratsy. Mila mitandrina ny rehetra manoloana izany. […]
Antson’ny Praiminisitra : “Aoka tsy hovakin’ny politika ny tafika”
Nifarana, omaly, ny fivorian’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika, natao teny Soanierana. Nisy ny antso avo nataon’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, tamin’izy ireo. Nambarany tamin’izany fa miaina anaty tontolo fanomanana ny fifidianana isika amin’izao fotoana izao. Efa hita taratra sahady ny fihetsiketsehan’ireo mpanao politika, ka nankahery ireo tomponandraikitry ny filaminana rehetra […]
Rehefa vita ny nataony…: vola sandoka no nomen’ilay kameroney ny mpivarotena
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny teny Ambohimahitsy, ny Kameroney iray, 32 taona, mbola mpianatra, afakomaly maraina. Niaraka tamina vehivavy iray mpivarotena izy ka nony vita ny filany dia vola sandoka 10 000Ar no nomeny azy. Nahatsikaritra vehivavy iray mpivarotena nitomany teo amin’ny sampanan’Ambohimahitsy, fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, ny […]
Ambatondrazaka : jiolahy roa lahy rotiky ny bala
Nanohitra polisy, maty voatifitra ny jiolahy roa raindahiny. Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa, tao Betanimena Bagdad, anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly alina. Mpanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-44 sady mamaky trano izy roa lahy ireto. Nanao hetsika manokana ny zandary avy ao amin’ny borigady Manakambahiny sy ny polisy. Tra-tehaka tamin’izany ireto jiolahy […]