Auteur/autrice : Adnews

Herinandron’ny Haratonaina : hatao eto Atananarivo ny fakan-kevitra

Hofaranana eto Antanana­rivo, ny 6 hatramin’ny 8 jolay izao, ny “Herinandron’ny Hara­tonaina”. Mikarakara izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hisy ny fakan-kevitra hiantsoana ny rehetra ahafahana manao tombana sy manatsara ny dingana manaraka. Hatao etsy amin’ny Parvis, Lapan’ny Tanàna, Analakely ny hetsika. Hisy […]

Fanadinana bakalorea : manomana “cours” maimaimpoana ny CUA

Mikarakara cours maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea ny Kaominina Antananarivo Reni­vohitra. Miandraikitra izany ny sampandraharaha misahana ny sosialy sy ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Hotante­ra­hina ny 3 ka hatramin’ny 7 jolay ny fanampiana ireo mpiadina. Manomboka amin’ny 8 ka hatramin’ny 12 atoandro. Hizara roa ny toerana hanatanterahana izany. Hisy […]

Fanadinam-panjakana BEPC : 25 001 ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra

Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 6 jolay ny fanadinana BEPC. Efa miomana amin’ny fiatrehana izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Cisco manerana ny Nosy. Mahatratra 25 001 ny mpiadina BEPC hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 35 manana efi­trano 632, eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. 21 218 nisafidy ny sokajy A. Mizara safidy telo arakaraka […]

Kaominina Toamasina “Suburbaine”: naaton’ny mpanolotsaina ny ben’ny Tanàna

Vaky ny ady eo amin’ny samy mpiray donakafo eo anivon’ny antokon’ny filoha TGV/Mapar. Voakasik’iza­ny ny ao amin’ny kaominina manakaiky ny Renivohitra na i Toamasina “Suburbaine”. Nandray fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana ny filankevitry ny Tanàna ao an-toerana, ny talata teo. Nampia­toana ny ben’ny Tanàna, Ba­rison Charles. Nandatsa-bato miafina ny mpanolotsaina di­my […]

Tatitra tamin’ireo mpamatsy vola: nahavita CSB miisa 104 ny fanjakana

Nitarika fivoriana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Notanterahina teny Iavoloha, ny talata teo, nanaovany tatitra ny zava-bita. Nisy ny jery todika momba ny fiaraha-miasa. Ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireto mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireto. Nambaran’ny Filoha fa na­nao ezaka ny governemanta tao anatin’ny efa-taona. […]