Auteur/autrice : Adnews

Fiadidiana ny Repoblika : “Adihevitra ny fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny”

“Malagasy ray sy reny ary mbola mizaka feno ny zom-pirenena malagasy sy manana fitiavan-tanindrazana ny filoha Andry Rajoelina”, hoy ny talen’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny Re­poblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, teny Ambohitso­rohitra, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny adihevitra momba ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika […]

INDRAY MIJERY

16 mianadahy ny ankizy beazina ao amin’ny akanin’ny Marenina (Akama) etsy 67ha niatrika ny fanadinana CEPE. Afa-panadinana avokoa ny 14 tamin’ireo. Nahatratra 87,5%, araka izany, ny taham-pahafahana. Hampitaina amin’ny teny tanana ny lesona ho an’ny ankizy. Hafana ny andro ao anatin’ny roa andro. Hidina ny maripana manomboka ny alakamisy tontolo. […]

Fahasalamana : 30 taona nandrindra fiainam-pianakaviana ny Marie Stopes

Manamarika ny faha-30 taona niaraha-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Marie Stopes Madagascar (MSI). Nampi­ro­borobo ny fandrindram-piterahana no tena nampalaza azy. Tany amin’ny taona 1992, teo amin’ny 5% ny tahan’ny fanaovana fandrindram-piterahana moderina. Efa mana­kaiky ny 55% izany amin’izao fotoana. “Tsy tokony hiteraka miohatra ny 2 intsony ny to­kan­trano satria izay […]

Tetikasa Power : vehivavy 250 nahazo fiofanana

Nikarakara atrikasa tao Antsirabe, ny Antenimieran’ny varotra amerikanina eto Madagasikara (AmCham) sy ny masoivoho amerikanina, ny herinandro lasa teo. Nentina nifampizarana fahalalana sy nanamafy ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fandraharahana izany. Nandray anjara ny vehivavy mpandraharaha maherin’ny 70 avy ao Antsirabe sy ny manodidina. Naharitra telo andro ny atrikasa izay […]

CEPE : tsara ny voka-panadinana teto an-drenivohitra

Tsara ny vokatra CEPE, teto Antananarivo Renivohitra sy ny Cisco manodidina. Nidina ny fahaizan’ny mpianatra tao Toamasina. Marefo ny vokatra any Kandreho. 77, 10% ny taham-pahafahana fanadinana CEPE teto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, nivoaka tamin’ny faran’ny herinandro. Tsara koa ny voka-panadinana ho an’An­tananarivo Avaradrano. 84,24% ny taham-pahafahana raha 82,60% tamin’ny […]