Notontosaina ny sabotsy teo ny fanofanana ireo mpanjono 115 momba ny ny rojom-pihariana trondro na « cartographie de la chaine de valeur poisson » tao Andranobe atsinanana, Antsirabe, faritra Vakinankaratra. Anisan’ny lohahevitra noresahiny tamin’izany ny fampahafantarana momba ny asa rehetra sy ny mpandray anjara ary ireo pitsopitsony manodidina ny sehatry ny jono. […]
Auteur/autrice : Adnews
Ozinina mpanodina ronono: hampiakatra ny toekaren’ny tantsaha
Hanatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpiompy ao Moramanga ny fahazoana ny milina mpanodina ronono ao an-toerana. Havadika ho yaourt na fromazy ny ronono vokarina ka hanova ny toekaren’ny mponina. Ny zoma teo, tonga tao Moramanga , nanatitra io milina io ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny […]
Fanatontoloana teknolojika: loharanom-pahalalana sy mampiroborobo ny toekarena
Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny fikirakirana ny teknolojia. Hahafahana mandranto fahalalana sy manangana tetikasa entina manatsara ny toekarena. Izay ny tanjona apetraky ny fikambanana OPTA. Mampisokatra lalana maro samihafa ny fahaizana mikirakira ny teknolojia. Mampahafantatra ny zo sy andraikitra miandry ny tsirairay izy, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fidiram-bola […]
Fikambanana TA.FI.TA: Mampidi-bola ny fanodinana ny fako
Fikambanana iray mpanodina fako ho lasa vokatra azo ampiasaina andavanandro ny «Tanjona ny fivoaran’ny tanora » (Tafita). « Te hampahafantatra ny rehetra izahay fa azo aodina tsara ny fako mba hampihenana ny loto eny anivon’ny tontolo iainana », hoy Rasoanatoandro Perline Lalao, filohan’ny fikambanana. Araka izany, manangona fako toy ny plastika sy ny baoritra […]
Faritra arovana any Boeny: avo dimy heny ny sanda ara-toekarena
Anisan’ny Faritra arovana (AP) any amin’ny faritra Boeny, ny tandavanala Mahavavy Kinkony (CMK), Antrema ary Ankarafantsika. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Tahirimbola ho an’ny faritra arovana sy ny tontolo iainana eto Madagasikara (FAPBM), manan-danja, avo dimy heny, ny anjara toekaren’ireo harena voajanahary raha oharina amin’ny sara-pitantanana isan-taona. Mitentina 101,649 miliara Ariary (23 264 […]