Nambaran’ny loholona MMM, Rakotondrainibe Michel, tamin’ny fivoriana tetsy Anosikely, omaly, ny sosokevitra sy ny fikasan’izy ireo hanolotra volavolan-dalàna hanasarahana faritra iray ho roa. Anisan’izany ny hizarana ho faritra samihafa an’Alaotra sy i Mangoro. Tahaka izany koa ny any Atsimo sy Andrefana. Tafiditra anatin’izany koa ny eto Analamanga. “Natao hampandroso ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ramamimampionona: “Zava-dehibe ny fankalazana ny 26 jona”
“Zava-dehibe izao fotoana ankalazantsika ny faha-63 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenentsika izao. Iombonana izany, vokatr’ireo tolona sy ny ezaka ary ny finiavan’ireo raiamandrenintsika ny hananantsika ny hoe Fahaleovantena. Hahazoantsika mandray an-tanana ny hoavin’ny firenentsika.” Izay ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Ilaina ny fiombonam-po sy saina ary ny firaisankinan’ny Malagasy […]
Fananana zom-pirenena vahiny: ny HCC no tompon’ny teny farany
“Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ihany no tompon’ny teny farany amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, raha nanontanian’ny mpanao gazety teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fahazoan’ny filohan’ny Repoblika mirotsa-kofidina na tsia, noho ny fizakany zom-pirenena vahiny. Na izany aza, nambarany fa tsy manao fakan-kevitra amin’ny […]
Banga ny tontolo politika: nodimandry ny depiote Jao Jean
Nodimandry omaly, tatsy amin’ny Nosy Maorisy, teo amin’ny faha-67 taonany ny depiote Rémi dit Jao Jean. Efa nolazoin’ny aretina an-taonany maro ny tenany ary izao nalefa notsaboina tany ivelany izao. Anisan’ireo “Sojabe” amin’ireo depiote i Jaon Jean, depiote vaofidy tao Antsohihy, faritra Sofia, satria efa fe-potoam-piasana fahadimy izao, tao anatin’ny […]
Miandry lava izao !
Mamita iraka any ivelany ny filohan’ny Repoblika, ankehitriny. Midika izany fa tsy manohintohina ny toerana sy ny andraikitra sahaniny ny resabe miseholany etsy sy eroa. Mazava be, tsy hisy rahateo ny hahakitikitika azy hatramin’izao, satria mbola ao an-damosiny ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra. Mampiseho firaisan-kina sy firaisan-tsaina rahateo […]