Auteur/autrice : Adnews

Fivoriambe ho an’ny famatsiam-bola any Paris: nitanisa ny ezaka vita ny filoha Rajoelina Andry

Nanomboka omaly, any Paris, ny fihaonana an-tampony momba ny Fifanarahana ho an’ny famatsiam-bola vaovao  “Sommet pour un nouveau pacte fiancier mondial”. Anisan’ny mikarakara izany ny eo anivon’ny Fida. Mitarika ny delegasiona any an-toerana ny filoha Rajoelina Andry ka nambarany tamin’ny lahateniny fa mitana andraikitra lehibe amin’ny vahaolana maharitra hiatrehana ny […]

Fikambanan-jiolahy: mpangalatra fiara sarona niaraka tamin’ny bala

Ravan’ny zandary ny fikambanan-jiolahy mpangalatra fiara. Voasaringotra tamin’izany koa ny mpividy halatra. Efa naiditra am-ponja izy ireo. Tra-tehaka ireo jiolahy efatra  tompon’antoka tamin’ny fahaverezana  fiara tsy mataho-dalana. Noraisim-potsiny tetsy Ambohitrimanjaka izy ireo. Nandroba ny fiara tsy mataho-dalana iray marika Mazda  BT 50 teo Andranotapahina Mandriambero izy ireo, ny 4 jona […]

Facebook: misoloky ho mahavita Visa Schengen

Natolotra ny fampanoavana omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny teratany vahiny iray. Voarohirohy ho nanao fisolokiana, milaza fa mahavita manao Visa Schengen izy. Ireo polisy misahana ny fanaraha-maso sy fanadihadiana ireo vahiny mandalo eto amintsika no nahasambotra azy. Mandeha fanapariahana amin’ny kaonty “facebook” ity vazaha ity mampahafantatra ireo hivoaka an’i […]

Ranomafana: kamiao nitondra solika nivadika

Tra-doza ka nivadika ny kamiao lehibe iray mpitatitra solika an’ny Jirama tao Sahamamy, kaominina Ranomafana, distrikan’i Brickaville, omaly. Nikasa hihazo an’Antananarivo, niharam-boina tampoka io fiara lehibe io. Nivoaka ny arabe, nivadika ny fiara. Vokany, naratra ny mpamily. Nentina notsaboina ao amin’ny CSBII Ranomafana avy hatrany izy. Potika tanteraka ny lohan’ny […]