Tontosaina any Antsohihy, manomboka ny 21 hatramin’ ny 23 jolay 2023, ny « Festival Donabe » andiany voalohany. Ny mpanakanto Dadi love, miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka aminy sy ny tomponandraikitra ara-panjakana any an-toerana no mikarakara izao hetsika lehibe izao. Seho ara-kolontsaina sy fifaninanana maro no hameno izany fotoana hanaovana ny hetsika izany. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fetin’ny mozika : handray an-dry Raboussa, Vy Mamay… ny IFM
Mitohy hatrany ireo seho an-tsehatra tafiditra ao anatin’ny hetsika « Fetin’ny mozika ». Toerana maro no ahitana izany. Iray amin’ireny ny etsy amin’ny IFM Analakely, anio. Fitendrena piano, mozika rap, tononkira mientana… Hanana endrika samy hafa kanefa mifameno amin’ny maha mozika azy ny seho hotontosaina anio, etsy amin’ny Institut Français Madagascar (IFM) […]
Pasitera Mailhol : “Tompon’ny teny farany ny HCC”
“Mahazo miteny izay tiany holazaina avokoa ny olona, fa ny HCC ihany no tompon’ny fahefana na mahazo mirotsa-kofidina na tsia ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny fananany zom-pirenena vahiny. Raha ny HCC milaza hoe mahazo mirotsa-kofidina izy na tsia, tsy misy afa-manohitra an’ izay ankoatra ny sehatra iraisam-pirenena.” Izay ny fanehoan-kevitry […]
Depiote Randrianasolo Augustin :”Tsy izahay no manoratra ny fanitsiana tetibola”
“Tsy izahay no manoratra ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana (LFR) ka hoe tsy nisiany, fa izahay aza mba niandry. Ny mpanoratra an’izay no tsy nanao. Anjaran-dry zareo izay. Izy no mahita ny antony.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote ao Marolambo, Faritra Atsinanana, Randrianasolo Augustin. Efa nambaran’ny eo anivon’ny mpanatanteraka ny […]
Dinika faharoa momba ny fifidianana : hamaly ny tsikeran’ny mpanao politika ny Ceni
Hamaly ny hetaheta sy ny ahiahin’ny maro. Hiditra amin’ ny andiany faharoa ny dinika karakarain’ny Ceni, hanasany ireo mpisehatra politika rehetra sy ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombona antoka. Hotanterahina rahampitso izany fihaonana izany. “Miezaka hatrany izahay maneho ny fahavonona hanatontosa fifidianana madio sy mangarahara”, hoy ny avy amin’ny […]