Auteur/autrice : Adnews

Ramamimampionona Gérard : “Itokisana amin’ny zava-drehetra ny minisitra”

“Olobe eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny minisitra. Ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka izany. Mitodika aminy ny mason’ny rehetra. Miandry azy hiasa mafy ny olona, mian­dry azy hijery ny fiainany… “. Izay ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina izay filoha lefitry ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, Ramamimampio­nona Gérard, momba […]

Tsy maintsy vola ve ?

  Mahoraka ny honohono sy resabe mahakasika ny kolikoly, manodidina ny fametrahana ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena. Amina miliara, hono? An-jatony tapitrisa, hono? Asa re izay fahamarinany fa fandikan-dalàna iray sarotra hamarinina sy hitadiavana porofo rahateo izany. Endrika fandikan-dalàna saro-pady sy mety hihatra aman’aina ka mahatonga ny loharanom-baovao hihidy vava […]

Fifidianana ben’ny tanàna: tokony hivoaka ny 6 aogositra ny fanaikana mpifidy

Mbola manjavozavo ny hirosoana amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsain’ny Tanàna amin’ity taona ity. Efa tokony hamoaka ny daty fanaikana ny mpifidy rahateo ny fanjakana. Tsy mbola niova fa mijanona ho ny 6 novambra amin’ity taona ity ny fifidianana ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsaina. Efa samy nankatoavin’ny fitondram-panjakana […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja, omaly, ny efatra tamin’ireo jiolahy dimy tratran’ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Anosizato. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny zandary ny lehilahy iray niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy. Lasan’ireo jiolahy ny finday, bisikileta ary vola 5 alina Ar. Nanao fikarohana ny zandary ka tratra ireo andian-jatovo mpanendaka. Ramatoa iray […]

Naiditra eny Antanimora : olona efatra nahatrarana fonosana roro maro

Noraisim-potsiny ! Naiditra am-ponja, afakomaly, eny Antanimora ireo olona efatra mianadahy voarohirohy amina raharaha fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (roro) rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Nanao bemidina tampoka teny amin’ ny fokontany IVO Isotry ny polisin’ny CUI1 sy ny Sut, rehefa nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ireo zava-mahadomelina mahery vaika miparitaka eny […]