Auteur/autrice : Adnews

Minisiteran’ny Fampianarana ambony : hosorohina ny fivoahan’ny laza adina bakalorea mialoha ny fotoana

Nametraka fanamby goavana. Hanomboka ny faha-22 jolay ho avy izao ny fanadinana bakalorea. Nambaran’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa (Mesupres) fa efa vonona izy ireo. Nambaran’ny minisitra mpi­solo toerana, Ravo­ka­tra Fidiniavo, fa efa vonona amin’ny fitaovana sy ny fandaminana rehetra ny fanjakana. Eo koa […]

Handball – CCCOI 2024 : hofaranan’ny Malagasy sy i Mayotte

Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity talata ity ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy “senior”, lahy sy vavy. Adin’ny ekipa malagasy sy i Mayotte izany na eo amin’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy. Ho an’ny andriambavilanitra, hifandona […]

«Copa America 2024» : mbola voatazon’ i Argen­tine ny amboara

Tsy mbola votsotra eo am-pelatanan’i Argentine ny amboaran’ny “Copa America”, efa azony ny taona 2021. Omaly alatsinainy, nandritra ny famaranana, natao tao amin’ny kianja Miami, resin’i Argentine tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Colombie. Nivoaka sempotra anefa ny Argentine vao nivoaka ho mpandresy, satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana, […]

Baolina kitra – Amboaran’ny Caf: any Maurice no handray lalao ny Elgeco Plus

Any ivelan’i Madagasikara no handray ny lalao mandroso, ny ekipan’ny Elgeco plus, solontenan’ny Malagasy amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CCAF). Tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf i Ma­dagasikara. Araka izany, nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus de Madagascar fa any Maurice no handray […]

INDRAY MIJERY

Mpianatra 14 tamin’ireo 16 niatrika ny fanadinana BEPC no afa-panadinana tamin’ity taona ity tao amin’ny Akanin’ny marenina (Akama) 67Ha. 100% kosa ny fahafahana CEPE tao an-toerana. 5 kosa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalorea amin’ny herinandro. Ankoatra ireo mpianatra manana olana amin’ny fandrenesana, mandray mpianatra mandre koa ny akany. Nanao […]