“Tsy maintsy hisy ny fijoroan’ny vondrona parlemantera tsy miankina, saingy miandry ny fivoriana manokana amin’ny talata ho avy izao izahay”, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ikalamavony, Rakotoniaina Pety. Miara-miasa amin’ny fitondrana kosa anefa izy ireo, ho fikatsahana ny tena fampandrosoana ny faritra nahalany azy ireo tsirairay avy. “Ny tombontsoan’ny vahoaka […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsy afaka hiziriziry!
Andro vitsy sisa no andrasana dia hivoaka ny mpikambana amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Toraka izany ny governemanta sy ny ho praiminisitra. Efa somebiseby tsy misy ohatra izany ny mpanao politika, indrindra ry tia seza. Misy ny matoky tena diso tafahoatra ka mamitaka ny ekipa. Mizahozaho ho maro anisa, […]
Fitantanana ny Antenimierampirenena: mila fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny antoko TGV
Tsy manda ny fiaraha-miasa amin’ny ankolafin-kery hafa ny antokon’ny fitondrana na ny TGV. Tsy mijanona amin’ny politika samy irery izany fa amin’ny fampandrosoana ankapobeny koa. “Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra”, hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fijoroan’ny vondrona […]
Itaosy : lavo tao anelakela-pasana i Guista
Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana ao Amboatavo, koaminina Itaosy, ny alin’ny alakamisy teo. Miandry mpandalo mody hariva io mpanendaka io ka miafina misitrika any anelakela-pasana. Tsy maraina tsy alina, manao io asa ratsiny io hatrany ity olon-dratsy ity. Nanao fisafoana tampoka manoloana io tranga fanendahana misy […]
Halatra omby : dahalo efa-dahy lavon’ny zandary
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo efa-dahy tompon’antoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’ Iharandramosa, fokontany Mahatsinjo, kaominina Antanambao, distrikan’Antsirabe II, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa miserana ao amin’io kaominina io ireo dahalo mpampihorohoro sy mpagalatra omby ireo. Niara-nihetsika ny zandary miasa ao Soanindrariny sy ny […]




