Auteur/autrice : Adnews

Nitsidika an’Ambovombe : tonga eto ny talem-paritry ny Unicef

itsidika an’i Madagasikara nanomboka ny 20 ka hatramin’ny 26 avrily ho avy izao ny talem-paritry ny Unicef ho an’ny firenena aty atsimo sy atsinanan’i Afrika, Etleva Kadilli. Hijery ifotony ny fandaharanasan’ny Unicef eto amintsika sy hitafa amin’ny vahoaka momba ny fiantraikan’ireo asa samihafa ireo izy. Nahita mivantana ny vokatry ny […]

Fanapoizinana ara-tsakafo : roa maty, enina niditra hopitaly

Mampalahelo! Noho ny fahasahiranana ara-tsakafo, lasa mihinankinam-poana ny ankamaroan’ny tokantrano. Nisy mpanjono nahita zerikanina nitsingevana tao amin’ny ranomasin’i  Mahavelona Foulpointe, ny alarobia lasa teo, ary nitondra izany tety an-tanety. Rehefa nosokafana ilay izy, zavatra toy ny sira no tao anatiny ka nifampizarany tamin’ny namany niara-nahita ilay zerikanina voalohany. Nisy ireo nanao […]

Fampianarana Ambony: nahazo oniversite vaovao ny faritra Analanjirofo

Tsy hivangongo amin’ny renivohi-paritany intsony ny oniversite miankina amin’ny fanjakana fa efa aparitaka any amin’ny faritra rehetra ho fanatonana ny mpianatra vonona hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Namarana ny fitsidihan’ny filoham-pirenena ny faritan’i Toamasina ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny oniversiten’Analan­jirofo, ny faran’ny herinandro teo. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, […]

Fiahiana fahasalamana : nanao hetsika ny Mii’zara

Nanao hetsika maimaimpoana ho an’ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra eny amin’ny EPP Ambohimarina ny fikambanana Mii’zara, omaly. Notan­terahina teny amin’ny CSB II, Ambatolampy Tsimahafotsy izany hetsika ara-pahasalamana izany. Nambaran’ny filoha mitarika ny Mii’zara, Rarivo Fafah, fa natao izao hanampiana ny mponina eo amin’ny lafiny fahasalamana manoloana ireo aretina […]

famongorana dahalo : miara-miasa ny zandary sy ny fokonolona

Resy lahatra ary naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana ny fokonolona ao amin’ny fokontany Androhiavy, koaminina Analalava, faritra Sofia, omaly. Hisorohana ny asan-dahalo ao an-toerana, namory vahoaka avy ao amin’ny fokontany miisa telo ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Sofia, ny Kly Randriamidona Lys Odon. Niara-nientana taminy ny ben’ny Tanàna sy ny […]