Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Tombanana ho betsaka ny rotsakorana amin’ ny faritra afovoany atsinanan’ny Nosy, hatramin’ny anio. Ho an’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Ambatosoa ny fampitandremana. Hahazo vahana ny varatraza ato anatin’ny roa andro manaraka. Hisy fidinana ny maripana amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany ary hisy fiakarana kosa izany amin’ny faritra avaratra andrefana sy ny faritra […]

Fandaharanasa IVLP: mendrika i Kwincy, mpiangaly Hip Hop

Voafantina handray anjara amin’ny fandaharanasa Inter­na­tional Visitor Leadership Program” (IVLP), Andrianota­hiana Lalaina (Kwincy), mpanakanto misehatra eo amin’ny tontolon’ny Hip Hop sady mpanabe. Miompana amin’ny lohahevitra “Hip Hop and Civic Engagement” ny fandaharanasa. Hitsidika an’i Washington, D.C., New York, sy North Carolina i Lalaina mandritra ny 3 herinandro. Hihaona amina mpisehatra […]

Tsy fanjarian-tsakafo : feno 10 taona ny Vovonana Hina

Teraka taorian’ny nametrahana ny hetsika “Scaling Up Nutrition” (SUN) ny vovonan’ny firaisamonina sivily misehatra ho an’ny fanjarian-tsakafo, ka iray amin’ireny ny Hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Hina). “10 taona no nijoroany amin’ny fanaovana haitaky hanatsarana ny politikam-panjakana amin’ny fanjarian-tsakafo”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Faniry Hantarinivo. Nahafahana […]

Fandraisam-bahiny sy fizahantany: afaka miofana any Maorisy ny Malagasy

Mivoatra ny tontolon’ny fiofanana ho an’ny fandraisam-bahiny sy fizahantany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny ivontoeram-panofanana maorisianina. Afaka mandefa tanora any amin’ny ivontoeram-pampifonana ma­na­ra-penitra amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany atsy amin’ny Nosy Maorisy i Mada­gasikara. No­tan­terahina, ny faran’ny herinandro teo, tany an-toerana, ny fanaovan-tsonia ny taratasy fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny […]

FEPA andiany faha-16: hisongadina ny sehatry ny fiompiana

Tomombana avokoa ny fikarakarana ho an’ny hetsika “Tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, (FEPA)” andiany faha-16, hatao ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnels de l’élévage (MPE) Nanisana. Ho hita eny an-toerana mandritra ny efatr’andro ireo vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. […]