Auteur/autrice : Adnews

«Orange Pro League 2023»: sahirana ireo ekipa lehibe vao nandresy

Tontosa ny asabotsy sy omaly alahady ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange Pro League 2023”. Sahirana ireo ekipa heverina ho vaventy vao nivoaka ho mpandresy. Anisan’izany ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara farany. Tamin’ny isa tery 2 no ho 1 ny nandresen’izy ireo ny […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023): hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra – 3 septambra

Tsy misy intsony ny ahiahy fa hatao eto Madagasikara ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Efa nanambara ny fahavononana hampiantrano izany ny Komity Olympika Malagasy (KOM) sy ny fitondrana malagasy. Nambaran-dRandriamanarivo Harinelina, sekretera jeneralin’ny Komity Olympika Malagasy, ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny foibe toerany teny Ivandry fa hotanterahina eto Madagasikara […]

Soratononina 2022: mpifaninana 6 tsy nahitana diso

Nozaraina tamin’ny zoma 18 novambra 2022 teo, teny amin’ny lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny vokatry ny fifaninanana Soratononina 2022, fifaninanana nokarakarain’ny Foibe Momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy. Boky maro sy lelavola no loka nomena ireo mpifaninana mendrika ireo mba hahafahany manohy ny fikarohany sy fitrandrahany ny teny malagasy. Nisy […]

Star Academy: tafakatra famaranana i Anisha

Notontosaina ny asabotsy 19 novambra teo ny dingan’ny manasa-dalana eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena Star Academy. Tafakatra eo amin’ny dingan’ny famaranana i Anisha na ilay teratany malagasy mandray anjara amin’ity fifaninanana karakarain’ny Televiziona TF1 ao Frantsa ity. Fantatra fa ho mafimafy ny miandry azy amin’io 26 novambra io satria sangany amin’ny […]