Tsy vao voalohany. Mbola nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana indray ny evekan’ny diosezin’i Morondava. Efa tena tafahoatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Anisan’izany ny any an-toerana. “Ny zava-doza mitranga ary tena hoe lasa lalina dia lalina ny faharatsiana mahazo ny Malagasy, indrindra aty amin’ny faritra Menabe. Koa miangavy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsy nanam-bola omena am-badiny: raim-pianakaviana iray nananton-tena tamin’ny tady
Tranga mampalahelo! Raim-pianakaviana iray 35 taona no maty nanaton-tena tamina hazo afakomaly rehefa avy nifamaly tamin’ny vadiny. Omaly tokony ho tamin’ny 05 ora maraina hita faty nihantona tamin’ny tady teo ambony manga maniry teo amin’ny fefin-tranony ny vata-mangatsiakany. Monina ao Ambalamanga, fokontany Fenoariavo atsimo, kaominina sy distrikan’i Farafangana ny lehilahy. […]
Halatra vato sarobidy: olona fito mianadahy voasambotra
Tsy lasa lavitra! Voasambotry ny polisy ireo jiolahy miisa fito, voalaza ho nanao ilay halatra mitam-piadiana, teny Ambohidahy Ankadindramamy, ny 08 novambra teo. Omaly, niakatra fampanoavana ny raharaha. Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana avokoa izy rehetra. Voasambotry ny polisy ny alakamisy sy zoma teo ny dimy tamin’ireo jiolahy. Isan’izany ny […]
Anjanahary: tratra ireo jiolahy mpangalatra kojakojana anaty fiara
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, afakomaly alina, tamin’ny 9 ora, teo amin’ny fitobiana fiara iray teo Anjanahary ireo jiolahy mpangalatra kojakojana anaty fiara. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nahatsikaritra olona hafahafa misikotra varavarana fiaran’olona mitoby amin’ny fiantsonana. Rehefa nanatona azy ireo ny polisy […]
Nanafika tsenam-barotra: dahalo iray lavo, telo sarona niaraka tamina vola halatra
Nanafika tranombarotra iray tao amin’ny fokontany Begavo I, distrikan’Ambanja, voasambotra ny dahalo telo lahy niaraka tamin’ny vola 2 800 000 Ar, afakomaly hariva. Naka an-keriny ny vola tao amin’ireo tompon-trano, nitifitra ireo jiolahy. Naratra tamin’izany io tompon-tsena io. Lasa nandositra ireto olon-dratsy niaraka tamin’ny vola. Raikitra ny fifanenjehana nataon’ny zandary. Nifampitifitra […]