Auteur/autrice : Adnews

Fampandrosoana : ilaina ny fametrahana rafitra fakan-kevitra

                      “Ny lalàna rehetra sy ny politikam-pitondrana rehetra izay handraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena dia tokony hanontaniana ny heviny ary tena manoratra hevitra izy. Izay no andraikiny. Avy eo, anjaran’ny mpanapa-kevitra ny mandray izany na tsia”, hoy ny tale mpandrindra ny teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, tamin’ny famaranana […]

Ceni: natsinkafon’i “Del Kely” ny volan’ny fifidianana

Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Fidel Razarapiera “Del Kely” tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja – MM” , ny herinandro teo momba ny volavolan’ny tetibola 2023. Anisan’ny nohitritrikihiny ny hoenti-manana amin’ny fifidianana. Natsidiny ny efa fahafantarana fa taom-pifidianana ny 2023. “Zara fa miresaka momba ny fifidianana anefa ny tetibola ary tsy mipetraka […]

MMM Analamanga: “Tsy hanohana ny fitondrana intsony izahay”

Natao ny faran’ny herinandro teo, teny Ankadindratombo ny kongresim-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, Analamanga. Nivoitra tamin’ny fehin-kevitra tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny fanamafisana ny nanapahana ny tadim-poitra niarahana amin’izao fitondrana izao. Hentitra ny fanamasisan’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo. ” Tsy manana eritreritra ny hiara-kiasa sy hanohana ny fitondrana […]

Fanomezan-toerana ireo mpandimby: nidera an-dRatsirahonana ny governora Rasoamaromaka

Nidera manokana ny fialan-dRatsirahonana Norbert Lala tsy ho filoha nasionalin’ny Avi  ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery.” Raha tsy maty sy tsy misolo ary tsy manomana mpandimby ny eto amintsika eo amin’ny fanaovana politika, Anisan’ny nanimba ny Arema izany”, hoy izy. Nanteriny fa mametraka mpandimby fa tsy miala ary mahalala onony. Niaiky […]

Indraim-bava: Fieritreritra dieny izao…

 Mandindona sy mitatao tokoa ny fifidianana? Efa mandeha amin’ny zotram-pifidianana aza amin’izao fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao. Miara-dalana na mirazotra ho azy amin’izany ny karazana fitsikerana enti-manatsara izay atao sy manatratra izay kendrena. Tsy inona fa ny efa hay tsinjery hoe fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra. Mby aiza? […]