Auteur/autrice : Adnews

Antoko Fiombonana : “Tsy mbola tara ny fifampidinihana”

Aleo tratra aoriana toy izay tsy misy. Eo no anairan’ny antoko Fiombonana ny rehetra hiombona, hiverina amin’ny fifampidinihana, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retogniane, manoloana ny fanomanana ny fifidianana ao anatin’izao fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao. Tsy mbola tratra aoriana izay fifampidinihana izay amin’izao, […]

Antenimierampirenena: “Tapahana karama ny depiote mivangabao”

Niaiky ny havitsian’ireo depiote miatrika ny fivoriana eny Tsimbazaza ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Nambarany fa horaisina ny fepetra. “Tsy miantsy tapahana karama ireo depiote tsy tonga mivory”, hoy izy, afakomaly teny Tsimbazaza. Na izany aza, nambarany fa tokony manana antony mazava sy mitombina amin’ny alalan’ny taratasy ireo tsy afaka […]

Fetison Rakoto Andrianirina: « Mila arovana ny fototra demokratika nimatimatesana hatramin’ny 2013 »

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS), Fetison Rakoto Andrianirina. Anisan’izany ny momba ny demokrasia. Gazety Taratra (*) : Hita sy miseho amin’izao herintaona tsy hifaran’ny fe-potoam-piasan’ny filoha Rajoelina izao ireo antoko politika na kely na lehibe. Anisan’izany ny antoko […]

Harembakoka: feno 50 taona ny fifanarahana iraisam-pirenena

Tapaka nandritra ny fivoriamben’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana, ny siansa ary ny kolontsaina tao Paris, ny taona 1972 ilay fifanaharana izay mahakasika ny fiarovana ny harembakoka iraisain’izao tontolo izao. Mamaritra ireo zavaboahary na harembakoka ara-kolontsaina izay mahafeno ny fepetra hampidirina anaty lisitra, mamaritra ihany koa ny andraikitry ny […]