Auteur/autrice : Adnews

Tontolon’ny kabary: feno 59 taona ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy

16 novambra 1963 – 16 novambra 2022, feno 59 taona katroka, omaly, ny nijoroan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Manamarika izany, ao anatin’ny 4 andro ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikoloana sy fampivelarana ny kabary malagasy ity. Efa sehatra goavana no iasana (maneran-tany), ka nanapa-kevitra ny hampiasa bebe kokoa ny teknolojiam-pifandraisana […]

Tontolon’ny hatsikana: miezaka maka ny toerany ny mpanao « Stand-up »

Maro ny ezaka ho an’ny mpanao « Stand-up » Malagasy. Ilay karazana hatsikana nataon’ireo zoky teo aloha foana mantsy no tonga ao an-tsain’ny olona raha vao mijery hatsikana, hany ka lasa diso fanantenana izy ireo vao « stand-up » no atao. Natao teny amin’ny « Cercle Germano-Malagasy » na CGM Analakely, ny alarobia,  16 novambra 2022, […]

CFAO: tsara ny varotra fiara

Nitondra tombontsoa lehibe ho an’ny Vondrona CFAO Motors sy ny mpanifa ny fampisehoana « Salon de l’auto » tamin’ity taona ity. Izay mpanjifa rehetra nividy fiara marika Toyota, Suzuki, na Mitsubishi dia mety mahazo fiara fanindroany tamin’ny fisarihana natao. Nahazo izany tamin’ny fisarihana ny Fikambanana Agakhan Education Service, izay nividy bus Toyota […]

Varotra ivelany: jerena ny fatran’ny vanilline sy hamandoana

Nanomboka omaly 15 novambra 2022 ny fotoam-panondranana lavanila mankany ivelany. Malalaka ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana (agrément) ho amin’izany hivarotra ny vokatra amin’ireo mpividy iraisam-pirenena. Dingana maro no nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisitera misahana ny varotra (MICC) sy ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV) mialoha izao fotoam-panondranana izao. Tanjona ny hisitrahan’ny […]

« Mondial 2022 »: mahalafo televiziona 25 isan’andro ny mpivarotra

Hanomboka amin’ny alahady 20 novambra ho avy izao ny lalao fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny baolina kitra, « Mondial  2022» hatao any Qatar. Mirohotra mividy televiziona daholo ny ankamaroan’ny olona tsy mbola manana na koa manavao ny efa taloha, araka ny fanadihadiana natao teny Analakely, omaly. Manomboka efa miomana amin’izany […]