Marihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa, ao anatin’ny herinandro ny faha-59 taona niorenan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Nanomboka ny 16 novambra, fandaharam-potoana maro no notanterahina. Ny anio kosa, hiroso amin’ny fanapahana ireo tetikasa hotanterahina amin’ny taona 2023, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity. Hanomboka amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Hiverina hisokatra…: mpanakanto 10 vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery
Nampahafatarina teny Ampasanimalo, omaly, fa hisy mpanakanto folo vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery amin’ilay tetikasa Vina. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny trano fampiratina amin’ny 24 novambra, ary maimaim-poana ny fidirana. Taorian’ny telo taona nikatonan’ny Isart Gallery noho ny Covid-19, miverina misokatra indray ny trano fampirantiana. Nampahafantarin-dRakotoarivony Tahina, talen’ny Isart Gallery, teny […]
Fiainana antoko: hanamarika ny faha-20 taonany ny Tim Morondava
Hotanterahina anio ao Morondava ny hetsika fanamarihana isam-paritra ny faha-20 taonan’ny antoko Tim. Anisan’ny hiatrika sy hitarika izany any an-toerana ny mpanorina ny antoko, Ravalomanana Marc sy ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Riana. Nialoha izany, nitafa mivantana amin’ireo vahoaka sendra azy teny an-dalana (RN34) nanomboka teny Miandrivazo sy ny manodidina ny […]
Fiarahamonim-pirenena sy ny HCDDED: hofaritana amin’ny lalàna ireo tena mpisintona lakolosy
Nifampidinika momba ny zon’olombelona sy ireo mpisintona lakolosy tetsy Ampefiloha ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny eo anivon’ny Filankevitra ambony ho an’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), omaly. Noresahina tamin’izany ilay tolo-dalàna fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona sy ireo mpisintona lakolosy. “Mety hisy ny hanjo azy ireo. […]
Depiote Keron Idealson : “Tsy mahatontosa andraikitra ny Antenimierampirenena”
Nitondra ny heviny manoloana ny tsikera amin’ny fahavitsian’ireo namany tonga miatrika fivoriana ny depiote i Keron Idealson. Eo koa ny fijeriny ny momba ireo fanambaran’ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sasany. “Anjara asan’ny Antenimierampirenena ny manara-maso ny asan’ny governemanta. Olona 151 manara-maso, tsy mitovy amin’ny olona folo manara-maso. Izany no endrika sakana […]