Auteur/autrice : Adnews

Ampandrana: jiolahy tratra nitondra gony feno kilalao sy kojakojan-dakozia

Jiolahy telo (nahitana vehivavy iray) no tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, omaly, tamin’ny 2 ora latsaka teny Ampandrana noho ny raharaha vaky trano. Polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny no nahatsikaritra olona telo nivimbina gony sady mampiahiahy ny fihetsik’izy ireo. Nikasa hitsoaka avy hatrany izy […]

Tokony hamita sazy eny am-ponja: jiolahy tratra nandroba mpanao taxi-phone

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina tao amin’ny fokontany Amboavahy/Ambohimanarina ny jiolahy iray, afakomaly maraina izay voarohirohy amina halatra. Nomarihin’ny polisy fa tokony hamita sazy any am-ponja ity jiolahy voasambotra ity kanjo izao tratra nanao asa ratsy izao. Manatanteraka asa ivelan’ny fonja (MOP: Main d’oeuvre […]

Fahafatesana mampiahiahy: tovolahy hita faty tetsy amin’ny Soute à Bombe

Nifampitadiavan’ny fianakaviany nanomboka ny 06 novambra,  hita faty tetsy amin’ny farihin’i Soute à Bombe ny tovolahy iray,  omaly. Natsingevan’ny farihin’i Soute à Bombe, eny Ivato ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray, omaly. Tsy hita nanomboka ny 06 novambra lasa teo, nifampitadiavan’ny fianakaviany ity namoy ny ainy ity. Araka ny fizahan’ny mpitsabo, […]