Auteur/autrice : Adnews

Tselatra

Vehivavy iray namoy ny ainy, ny alatsinainy teo, noho ny lozam-pifamoivoizana tany Morafenobe. Tapaka hisatra tampoka ny fiarabe iray nitondra azy ka nivadika. Avy any Maintirano saika hihazo an’i Morafenobe ilay fiara tamin’io fotoana io. Tra-doza tampoka ilay kamiao teo amin’ny fidinana eo amin’ny kaominina Belitsaky, hoy ny loharanom-baovao. Mpampianatra […]

Isotry : mpangarom-paosy roa lahy tratra

Lehilahy 18 sy 27 taona indray no saron’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny, omaly, tetsy Isotry. Nanararaotra ny hamaroan’ ny mpivezivezy izy roa lahy ireto ka tsy nisalasala nangarom-paosy teny an-toerana. Malaza ratsy sy mampitaraina ny olona rahateo izy ireo ka narahin’ny polisy maso. Nahitam-boakany izany ka tratra am-bodiomby […]

Voatondro ho nitondra volamena: Sinoa efatra miandahy nahatrarana basy

Mitrandraka sady ma­moaka volamena an-tsokosoko, sarona niaraka tamina volamena tsy ara-dalàna ny teratany sinoa efatra tao Marovahy, Mananjary, afakomaly. Noho ny fahafantarana fisiana teratany nitondra volamena teny amin’ny lalam-pirenena, nanao fisavana ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nanao vela-pandrika, sarona tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana marika Nissan ireo Sinoa efatra mianadahy […]

Vehivavy nody alina: niharan’ny fanolanana faobe

Vehivavy iray tratra alina no niharan’ny fanolanana faobe, afakomaly, tao Ambatomanga, faritra Amoron’i Mania. Ankehitriny, efa voasambotra ny roa lahy tamin’ireo voalaza ho nahavanon-doza. Tranga mampalahelo. Vehivavy iray manodidina ny 30 taona, niharan’ny fanolana faobe, afakomaly tokony ho tamin’ ny 11 ora alina tao Ambodi­manga, andrefan’ny tetezana Amboay Ambositra. Nifa­nena […]