Auteur/autrice : Adnews

Rafitoson Ketakandriana : “Tsy atahorana ny fitorian’ny Gel”

“Inona moa no tokony hampatahotra anay? Tsy nametraka fitoriana izahay. Tsy nitory na iza na iza teny amin’ny Pac izahay, fa nampiditra fanairana hoe manokafa ianareo fanadihadiana fa misy ahiahina kolikoly momba ny sehatra letisia.” Io ny fanehoan-kevitry ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International – Iniative Madagascar (TI-IM), Rafitoson […]

Antoko Malagasy miara-miainga: “Omeo fahefana sy vola ny eny ifotony hamahany ny olana”

“Tonga ny fotoana ilana ny fitsinjaram-pahefana lasa lavitra kokoa. Miara-dalana amin’ny fampitomboana ny lalan-ketra tantanin’ny faritra sy ny kaominina. Voalohany amin’ny foto-kevitra ijoroanay ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny filoha nasionalin’ny MMM , Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nohitsiny fa tsy vitan’ny resa-be izany. Tena foto-kevitra manova zavatra tokoa izany, araka ny […]

Lalàna momba ny rano: vonona ny Antenimierampirenena

“Raha tonga amin’ny fa­no­vana na fametrahana lalàna mifehy ny fitantanana sy ny fikarakarana ary fanajariana ny rano, vonona izahay eto anivon’ny Antenimierampire­ne­na”, hoy ny depiote voafidy tany Ikongo tamin’ny anaran’ny IRD sady filoha lefitra, faritanin’i Fianarantsoa, eo an­ivon’ny Antenimierampire­nena, Razafintsiandraofa Jean-Brunel­le, teny Mahama­sina, ny faran’ny herinandro teo, ta­min’ny hetsika momba […]

Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy vitan’ny fitondrana foibe irery ny fampandrosoana”

Naneho ny heviny amin’ny fitantanana eny ifotony ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Ihorombe, ny herinandro teo. Niaiky ny tenany fa tsy tokony hatao resa-be fotsiny ny fitsinjaram-pahefana. “Tokony hiaiky ny fa­n­jakana foibe amin’ izay tsy vitany, aleo homena fahefana sy fitaovana ary fidiram-bola ny any amin’ny faritra sy ny kaominina”, […]

Filoha Rajoelina Andry : “Aoka tsy hokorontanin’ny sasany ny saintsika…”

Nomarihiny ny asabotsy teo ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana ny lalambe migodana “Autoroute” hampitohy an’ An­tananarivo sy Toamasina. Nanomboka izany tao Am­bolo, Talata Volonondry ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa manatanteraka ny asa isika izao ary miasa haingana. Mamaly ny ambaran’ny sasany fa tsy ho vita io… […]