Auteur/autrice : Adnews

Tsenabe ara-toekarena: homena lanja ny fandraha­ra­hana amin’ny sehatra samihafa

Nanomboka, omaly, 1 ha­tramin’ny asabotsy 3 desambra 2022 izao ny Tsenabe ara-toekarena eto Toamasina, atao etsy amin’ny Araben’ny Fa­haleovantena. Lohahevitra no­raisina ny hoe :  « tohanantsika ny fandraharahana ao anatin’ny fifanomezan-tanana, ha­hazoana vokatra hampandrosoana ny faritra ». Miisa 250 ny tranoheva ho an’ny mpandray anjara, ahitana ny orinasa vaventy sy sa­lantsalany, madinika. Eo […]

CSI-Pnud: hiadiana ny kolikoly

Nampahafantarina omaly ny SIIGAC*, fitaovana iray eo anivon’ny CSI* hoentina hiadiana amin’ny kolikoly, izay misokatra ho an’ny rehetra. Tamin’ny tomban’ezaka nataony ny CSI nampian’ny Pnud ao anatin’ny tetikasa Madagasi­kara tsara tantana nametraka tambajotra ifanakalozam-baovao, dia ny SIIGAC. Tanjona ny hisian’ny mangarahara sy tamberin’andraikitra hananana fomba fijery mahitsy hiadiana amin’ny kolikoly […]

Jirama: ho fantatra amin’ny alatsinainy ny tale jeneraly vaovao

Nanome fanazavana momba ny toe-draharaha ao amin’ny Jirama, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ramaroson Andry, omaly. Nambarany: “Antso tolotrasa ao anatiny no natao. Ho fantatra amin’ny alatsinainy ho avy izao izay ho tale jeneraly vaovao”. Nomarihin’ny minisitra Ramaroson Andry, tsy misy volam-panjakana niasa ny nananganan’ny orinasa Tozzi Green, […]

Padeve-Fianarantsoa: nijery ny firosoan’ny asa ny masoivoho frantsay

Nitsidika ny fandrosoan’ny asa fanatsarana ny endriky ny tanànan’i Fianarantsoa, izay mahasarika vahiny sy mpizahatany ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika, i Arnaud Guillois, omaly. Na­notrona tany koa ny talen’ny Agence française de développement, Yves Guicuero sy ny talen’ny fampandrosoana ma­haritra ny tanàn-dehibe ao amin’ny minisiteran’ny Fana­jariana ny tany sy […]

Fahasalamana : 10.387 ireo mitondra ny tsimokaretina VIH mihinam-panafody

« Andao hasandratsika ny fitoviana hanafoanana ny VIH/Sida ». Io no lohahevitry ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny VIH/Sida omaly. Toerana maromaro no nanamarihana izany. Anisan’izany ny tetsy amin’ny Parvis Ana­lakely sy teny amin’ny Tour Orange ary ny tetsy Antani­narenina. Na­naovana hetsika maimaim-poana ara-pahasalamana, in­drindra ny fitiliana ny tsimokaretina VIH sy ny aretina […]