Auteur/autrice : Adnews

Lehilahy namono vady: fitakiana fitsaram-bahoaka, nivadika ho doro tanàna

Afobe tao an-tampon-tanànan’i Vohipeno, distrikan’i Manakara, omaly. Fitakiana lehilahy iray hanaovana fitsaram-bahoaka no nitarika izao faharavana tanàna iray manontolo izao… Tsy mbola maty ny afo hatramin’ny omaly hariva (tamin’ny 7 ora) ao an-tampon-tanànan’i Vohipe­no, distrikan’i Manakara, vo­ka­try ny fahamaizan’ireo trano marobe. Nirefodrefotra ihany koa ny poa-basy sy ny grenady lakrimozena […]