Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alahady, eny Ampandrana andrefana ny Mollos Park, toerana fikotranana sy fialamboly eto an-drenivohitra. Tsy mitovy amin’ireo rehetra efa misy, noho izy tsy anaty efitrano fa amin’ny kianja malalaka voahodidina zava-boahary sy azon-drivotra tsara. Maro karazana ny azo hanatanjaham-batana ao, toy ny fanabokonana hozatra, ny fakàna […]
Auteur/autrice : Adnews
Lalao fanomanan’ny Fifa : mpanazatra vonjy maika ny Barea ny Coach Rôrô
Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Hiatriaka lalao ara-pirahalahiana roa anatin’ny varavarakelin’ny Fifa, ny 9 – 17 oktobra ho avy izao, any Marôc, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Ilay Malagasy mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô no hitondra vonjy maika ny ekipam-pirenena […]
Judo-Tompondaka maneran-tany : vonona ny Malagasy solontena
Hanomboka ny 4 oktobra izao, any Portugal, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo, sokajy Juniors. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Efa vonona tanteraka ny Malagasy solontena, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja karate, sokajy Juniors. Judokas 3 mianadahy no tokony hisolotena an’i […]
SOMBIM-BAOVAO
Niainga teto an-tanindrazana omaly, ny delegasiona miisa 30 ho any Afrika Atsimo, hiatrika ny “Cosafa Women’s Cup”. Miisa 23 ireo vehivavy mpilalao mandrafitra ny Barea. Tsiahivina fa hatao any Afrika Atsimo ny 4 – 15 oktobra ny fifaninanana. Anatin’ny Vondrona “A” misy an’i Afrika Atsimo, Eswatini, Malawi ny vehivavy Barea. […]
Karate : nankalaza ny iray taona nitsanganany ny FKM
Feno iray taona, omaly 1 oktobra 2023, ny nitsanganan’ny Federasion’ny karate-do malagasy, tarihan’ny Shihan Ratefinanahary Emile. Nisy ny fanamarihana izany, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, niarahana tamin’ny fianakaviamben’ny taranja karate. Nambaran’ny filohan’ny FKM fa nisy ny fanamby napetraka ka tratra izany ankehitriny, mbola vonona hiezaka hanatratra ny tanjona ny federasiona, […]




